Mitondra Fifaliana sy Vokatra Be ny Asan’ilay Fanjakana
Hira 72
Mitondra Fifaliana sy Vokatra Be ny Asan’ilay Fanjakana
1. Eo amin’ny asan’i Jehovah,
Maro ny antom-pifaliana;
Ka torintsika ny vaovao tsara
Mba hampionona ny olona.
Marina ny tenin’i Jesosy:
‘Izay manome no sambatra.’
Tsy misy fanomezana tsara
Noho ny fitoriana ny marina.
2. Rehefa mitory isan-trano,
Ao ireo maneso na mandà.
Tapa-kevitra anefa isika
Fa hijoro, tsy hivadika.
Raha toa voaenjika isika
Noho ny anaran’i Jehovah,
Mihobia sy mifalia, hoy Kristy,
Fa ’reo mpaminany koa mba niaritra.
3. Mifalia amin’ny fanompoana,
Manaraha ny dian’i Kristy.
Omeo voninahitra Jehovah,
Torio ny andro famaliany.
’Reo mijaly aoka hanantena
Paradisa mandry feizay.
Afa-po sy tena faly ’sika,
Manantena fiainana mandrakizay.