Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Mitoria Amim-pahasahiana

Mitoria Amim-pahasahiana

Hira 92

Mitoria Amim-pahasahiana

(Asan’ny Apostoly 4:13)

1. ’Sika mpanompon’i Jehovah

Dia miatrika fanoherana,

Nefa mahazo hery ’sika

Rehefa mamaky ny Tenin’i Jah.

Ilaintsika ny fitoriana,

Manampy mba tsy hivadika.

Koa aza manahy fa mitoria,

Toa an’ireo mpanompo fahiny.

2. Azontsika antoka tokoa

Fa ny Baiboly dia tsy diso.

Isika tsy mba matahotra,

Na maro aza ny mpanohitra.

Koa ambarao ny vaovao tsara,

Mifantoha amin’ilay asa.

Rehefa sahy mitory ’sika,

Jehovah dia ho Sakaizantsika.

3. Ampaherezo ny ketraka

Mba hanambara ny marina.

Tsarovy koa ireo tanora,

Ary ampio mba tsy hatahotra.

Izay misento ampionòny,

Jehovah no ianteherany;

Ka rehefa manjaka izy,

’Sika rehetra hidera azy.