Mitovy Amin’ilay Solemita ny Sisa Voahosotra
Hira 11
Mitovy Amin’ilay Solemita ny Sisa Voahosotra
1. “Solemita tsara, ianao no tiako.
Ireo toetranao dia mambabo ny fo.
Ianao raha miteny, malemy fanahy.
Ny miaraka aminao, mahafinaritra.”
2. Kristy Mpiandry Tsara miteny ’zany,
Satria tena tiany ’reo “ondry vitsy.”
Ary izy ’reo kosa mamaly fitia,
Ka tsy mivadika amin’ny Tompony.
3. “Ho anao irery ny fitiavako,
’Zay tena fitiavana tsy mety lo,
Fa miredareda avy ao anaty.
Ny fitiavako anao tsy mety maty.”
4. Miambena hatrany, ry “ondry vitsy.”
Fahatokiana no takin’i Kristy.
Ireo “ondry hafa” manaraka anao,
Mifaly noho ny fahatokianao.