Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Mivavaha Amin’i Jehovah Isan’andro

Mivavaha Amin’i Jehovah Isan’andro

Hira 161

Mivavaha Amin’i Jehovah Isan’andro

(1 Tesalonianina 5:17)

1. Mivavaha amin’ilay Raintsika.

Tombontsoa tokoa ny mivavaka.

Jehovah mihaino ny olony,

’Zay ao am-ponao lazao aminy.

Mivavaha isan’andro.

2. Mivavaha mandritra ny fiainanao.

Jehovah hamela ny helokao.

Mivavaha raha misy fakam-panahy;

Hiaro anao izy, aza manahy.

Mivavaha isan’andro.

3. Mivavaha raha tojo fahoriana,

Jehovah hitondra ny entantsika.

’Zay mampanahy dia resaho aminy,

Izy hampitony sy hanampy.

Mivavaha isan’andro.

4. Mivavaha, manaova fiderana,

Zava-dehibe koa ny fisaorana.

Miresaha amim-pahatsorana,

Dia ho tsapanao ny fiahian’i Jah.

Mivavaha isan’andro.