Nanolo-tena ho An’Andriamanitra Isika
Hira 202
Nanolo-tena ho An’Andriamanitra Isika
1. Jehovah nitaona antsika ho aminy,
Tamin’ny alalan’i Kristy.
Ny fahamarinana
Namirapiratra,
Ka nino isika,
Nanaiky an’i Jehovah.
Isika nifidy ny ho mpanompony,
Ka nanolo-tena ho azy.
2. Ireo ’zay voatendry ho mpanompon’i Jah
Dia efa voaofana tsara,
Mba hanambara ny
Fanjakan’i Kristy.
Toriny hatrany
Fa Jehovah no Tompony.
Ny batisa anaty rano dia mampiseho
Fa nanolo-tena izy ’reo.
3. Isika nanolo-tena ho an’i Jah,
Ka madio ny fo sy saintsika.
Faly ’sika satria
Vavolombelony,
Mivavaka aminy,
Mitondra ny anarany.
Koa satria efa nanolo-tena isika,
Dia aoka mba tsy hivadika.