Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ny Anaran’ilay Raintsika

Ny Anaran’ilay Raintsika

Hira 52

Ny Anaran’ilay Raintsika

(Matio 6:9)

1. Ny anaranao, Jehovah,

No hohamasinina.

Ny fikasanao rehetra

Dia hotanterahina.

Tsy ho ela dia ho resy

Ireo fahavalonao,

Ka ny olona rehetra

Hahita ny herinao.

(Averina isan’andininy)

2. Ny fiainanay manontolo

No ideranay anao,

Ka hazoto foana izahay

Hitory ny anaranao.

Te hanaja anao izahay,

Jehovah Ray Masina,

Ka hitana ny finoana,

Ary tsy hivadika.

(Averina isan’andininy)

3. Ry Jehovah Tompo Rainay,

Avo Indrindra ianao,

Ka ny asa tsara indrindra

Dia ny fanompoana anao.

Izahay dia hankalaza

Ny anaranao, ry Ray,

Andriamanitra mahery,

Derainay mandrakizay.

(AVERINA ISAN’ANDININY)

Tompo Fara Tampony ianao,

Nanao ’zao rehetra izao.

Maro ireo fikasanao,

Ary tanterahinao.

Ry Jehovah Avo Indrindra,

Nomenao ny Zanakao;

Ka hatao ny sitraponao,

Noho ilay Fanjakanao.