Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ny Fanantenana Omen’ny Baiboly ny Olombelona

Ny Fanantenana Omen’ny Baiboly ny Olombelona

Hira 23

Ny Fanantenana Omen’ny Baiboly ny Olombelona

(Romanina 12:12)

1. Matahotra ny olona.

Tsisy antenaina ny rehetra miaina.

Tsy fantany ny hoaviny.

Akaiky ny farany.

Nefa ny Baiboly mahafaly antsika,

Satria efa eo ilay Fanjakana,

Ka ny ranomaso hofafan’i Jah.

Miandrandrà fa ho foana ny tahotra.

2. Toa maizina ny fiainana,

Tsisy fifaliana, feno fahoriana.

Mandrahona ny aretina

Sy fahafatesana.

Nefa ny Baiboly mampanantena

Fa ny maty dia mbola hitsangana,

Ka hisotro ny ranon’ny fiainana.

’Zay no vaovao tsara manatanjaka.

3. Ratsy fanahy ny olona.

Jehovah tsy tiany, ny ota no fidiny.

Mitombo ny tsy rariny,

Fa manjaka Satana.

Nefa ny Baiboly dia milaza fa

Ho hitantsika ny fitsaran’i Jah;

Ka ho foana mandrakizay ny ratsy,

Handova ny tany ’reo tia rariny.