Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ny Fanjakana Arivo Taonan’Andriamanitra

Ny Fanjakana Arivo Taonan’Andriamanitra

Hira 60

Ny Fanjakana Arivo Taonan’Andriamanitra

(Apokalypsy 20:4-6)

1. Arivo taona no efa voatendry

Mba hanjakan’i Kristy ara-drariny.

Voatendry koa mba hiaraka hanjaka

Amin’i Jesosy Kristy ny ondry vitsy.

2. Izy ’reo hiara-miasa amin’i Kristy,

Hanaisotra ny fahotan’ny olona.

Eto an-tany lasa paradisa,

Hidera an’i Jehovah ny rehetra.

3. Indro Kristy hanjaka arivo taona!

Hahita zava-mahagaga isika:

Hatsangana, ka hianatra ’reo maty.

Io ’lay andro voatokana hitsarana.

4. Akaiky ’zao ilay andro malaza,

Koa mahereza sy miambena hatrany.

Ambarao ny Fanjakan’i Jehovah,

’Zay miantso ny anarany ho voavonjy.