Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ny Fitiavana no Lalana Tsara Indrindra

Ny Fitiavana no Lalana Tsara Indrindra

Hira 35

Ny Fitiavana no Lalana Tsara Indrindra

(1 Korintianina 13)

1. Jehovah mandidy antsika

Mba haneho fitiavana

Amin’ny fitenintsika

Sy izay ataontsika.

Ny fahaizana rehetra

Tsinontsinona avokoa,

Raha toa ny fitiavantsika

Tsy mba vokatry ny fo.

2. Raha enjehina isika

Fa mitory hatrany,

Nefa ratsy ny fontsika,

Zava-poana izany.

Ny fitiavana dia tony,

Ka tsy mora tezitra,

Tsy mba mialona ny hafa

Ary koa mandefitra.

3. Tsy mifaly amin’ny ratsy

Ny tena fitiavana,

Tsy masiaka na miady,

Fa mahay miaritra.

Tsy ho foana ny finoana

Sy ny fanantenana,

Fa ny tena tsara indrindra

Dia ny fitiavana.