Ny Herin’ny Hatsaram-panahy
Hira 66
Ny Herin’ny Hatsaram-panahy
1. Mahaiza mankasitraka
Ny hatsaram-panahy
Asehon’Andriamanitra
Amim-pitiavana.
Mahery Indrindra Jehovah,
Nefa mangoraka antsika.
Koa manompoa ’lay Raintsika,
Aza mivadika.
2. Jesosy dia tsara fanahy
Rehefa nampianatra.
Naneho hatsaram-po izy
Tamin’ireo osa.
Ny fampianarany dia soa,
Namelombelona tokoa.
Nibebaka ny mpanota,
Nanjary niova fo.
3. Tafio ny hatsaram-panahy,
Vokatry ny fanahy.
Hanahaka an’i Jah ’sika,
Ary hotahina.
Rehefa misy olana
Amin’ireo mpirahalahy,
Handamina izany koa
Ny hatsaram-panahy.
4. Ny herin’ny hatsaram-po
Dia lehibe tokoa.
Koa ampio foana ny hafa,
Ary manaova soa.
Ny manome no sambatra
Mihoatra noho izay mandray.
Tafio ny hatsaram-panahy,
Derao Jehovah Ray.