Ny Lanitra Mitory ny Voninahitr’Andriamanitra
Hira 175
Ny Lanitra Mitory ny Voninahitr’Andriamanitra
1. Ny lanitra midera anao, Jehovah.
Mba kanto avokoa ny asa tananao!
Ny alina sy ny andro
Dia samy eo mba hampiseho ny herinao.
2. Avy aminao ny tena fahendrena.
Tsy misy tsiny koa ireo fitsipikao.
Mampianatra anay ianao.
Mahafaly fo sy mahasoa ny lalanao.
3. Jehovah ô, mahitsy ny lalànao.
Ho sambatra ireo matahotra anao.
Mihoatra noho ny harena,
Tena tianay sy maminay ny teninao.
4. Misaotra anao ’zahay, Jehovah Tompo.
Homenao valisoa ’reo tia ny didinao.
Ry Mpanjaka, Mpamorona,
Ny teninay sy ataonay midera anao.