Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ny Modelim-pitiavana Omen’Andriamanitra

Ny Modelim-pitiavana Omen’Andriamanitra

Hira 89

Ny Modelim-pitiavana Omen’Andriamanitra

(1 Jaona 4:19)

1. Hendry Jehovah, nanoro antsika

Rehetra,

Rehetra,

Ilay lalana hanampy antsika

Ho marina,

Ho marina.

Io no lalana ’zay tsara indrindra,

Iezahantsika hizorana foana,

Fampianarana nomen’i Jehovah.

Maharitra

Ny fitiavana.

2. Ireo rahalahy dia hotiavintsika

Avokoa,

Avokoa.

Aoka hifanampy ’sika rehetra,

Amin’ny fo,

Amin’ny fo.

Firaiketam-po no asehoy hatrany,

Mampahery ny rahalahy izany;

Ho tsapany fa tiantsika izy ’reny,

Satria ’sika

Be fitiavana.

3. Jehovah dia tia sy mikarakara

Antsika,

Antsika.

Aoka izy mba hotolorantsika

Fiderana,

Fiderana.

Itoriantsika ny olon-drehetra,

Mba hahazo ny tena famonjena.

Ankamamintsika ny fanompoana.

Tsy levona

Ny fitiavana.