Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

“Ny Mpanome Amim-pifaliana no Tian’Andriamanitra”

“Ny Mpanome Amim-pifaliana no Tian’Andriamanitra”

Hira 12

“Ny Mpanome Amim-pifaliana no Tian’Andriamanitra”

(2 Korintianina 9:7)

1. Raha manompo ny Ray, tadidio fa izy anie

Tsara fanahy sy miantra, ka tia manome.

Hatramin’ny Zanany dia nafoiny ho antsika.

Samy tiany ho voavonjy ny olon-drehetra.

2. Koa tahafo Jehovah, ’zay malala-tanana.

Ireo faly manome dia ho sambatra.

Ny fotoana sy hery ary koa fananana,

Omeo an’ilay Raintsika, ho fiderana.

3. ’Reo mazoto manao soa no tian’Andriamanitra.

’Zany no mampitombo ny fitiavana.

Ireo fanomezana, izay vokatry ny fo,

No mitondra fifaliana sady mahasoa.

4. Aoka hisaorantsika Jehovah sy Jesosy.

Mazotoa lalandava manompo azy.

Aok’ isika hiezaka hanome an-tsitrapo,

Hampifaly an’i Jehovah isan’andro koa.