Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ny Sakafo Harivan’ny Tompo

Ny Sakafo Harivan’ny Tompo

Hira 87

Ny Sakafo Harivan’ny Tompo

(1 Korintianina 11:23-26)

1. Jehovah, Ray any ambony,

’Zao ’lay alina masina!

Efatra ambin’ny folo Nisana izao,

’Lay andro tena miavaka.

’Reo Israelita fahiny

Namono ny zanak’ondry,

Ka novonjenao tamin’ny fahavalony.

Nanehoanao fitiavana izy.

2. Tonga tetỳ an-tany Kristy,

Araka ny sitraponao,

Nanome ny ainy hamonjy anay,

Porofon’ny fitiavanao.

Koa mivory eto izahay,

Hidera ny anaranao;

Eto anoloanay ny mofo sy divay,

Noho ny tenin’ny Zanakao.

3. ’Lay mofo dia mampahatsiaro

Ny tenan’i Kristy Tompo,

Ary ny divay mena mampahatsiahy

Ny rany mamonjy tokoa.

Aoka tsy hohadinointsika

’Zao Fahatsiarovana izao.

Manaraha isan’andro ny dian’i Kristy,

Ho azonao ny tontolo vaovao.