Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ny Seza Fiandrianan’i Jehovah any An-danitra

Ny Seza Fiandrianan’i Jehovah any An-danitra

Hira 219

Ny Seza Fiandrianan’i Jehovah any An-danitra

(Apokalypsy 4)

1. Ianao, Jehovah, Avo Indrindra.

Ny seza fiandriananao, misandratra.

Fahatoniana, fiadanana

No mandravaka anao, toy ny avana.

2. Miakanjo fotsy ’reo mpanjaka,

’Zay mpisoron’i Kristy Mpanavotra.

Zavamananaina efatra

No maneho ’reo toetranao miavaka.

3. Ny fitsaranao, ry Jehovah,

Toy ny kotrokorana sy tselatra.

Ny Teninao dia manazava,

Toy ny ranomasina fitaratra.

4. Derainay ianao, ry Jehovah,

Tompo Fara Tampony, Mpamorona.

Mifandray aminao izahay,

Noho ny soron’i Kristy Mpanjakanay.