Ny Tanora eo Anivon’ny Vahoakan’Andriamanitra
Hira 183
Ny Tanora eo Anivon’ny Vahoakan’Andriamanitra
1. Samy faly mankalaza an’i Jehovah,
Na ireo tanora na ny antitra.
Tena maro be tokoa ireo tanora
Vonona hitory ’lay Fanjakana.
Mahalala fomba sy manaja izy,
Ka mahomby foana ny fitoriany.
Sarobidy amin’i Jehovah izy,
Mahafaly ny miaraka aminy.
2. ’Reo tanora mankatò an’i Jehovah
Dia hahita fahasambarana tokoa.
Fiainana mandrakizay no miandry azy,
Paradisa kanto sy mahafa-po.
’Zao anefa mbola misy fisedrana,
Miharatsy koa ity tontolo ity.
Aok’ isika hiady mafy mba handresy,
Tsy hivadika mandrakizay doria.
3. Aza misakaiza amin’ny naman-dratsy,
Fa miaraha amin’ireo tia an’i Jah.
’Zay mahitsy sy madio no ifikiro,
Mandrosoa amin’ny fahamarinana.
Raha sahiran-tsaina ianareo tanora,
Miresaha amin’ireo ’zay matotra.
I Jehovah no Sakaiza tsara indrindra,
Mahatoky sady be fitiavana.
4. Samy anisan’ny fiangonana isika,
Kristy no mitari-dalana antsika.
Koa araho ny torohevitra omeny,
Ary aok’ isika tsy hivadika.
Ny toe-tsain’ity tontolo ity tohero,
Miaro ny fontsika ny Tenin’i Jah.
Ny tanora sy ny antitra rehetra,
Aoka hankalaza an’i Jehovah.