Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ny Tena Fangoraham-po

Ny Tena Fangoraham-po

Hira 68

Ny Tena Fangoraham-po

(Kolosianina 3:12)

1. Ny mpanompon’i Jehovah

Maneho fangoraham-po

Amin’ny mpiray finoana

Sy ny olon-kafa koa.

Fanoharana iray

No nampiasain’i Kristy,

Hanampiana antsika

Mba hiantra toa azy.

2. ‘Teny akaikin’i Jeriko,

Nisy Samaritanina,

Nahita Jiosy voaroba,

Izay tena naratra.’

Fahavalony izy,

Fa notsaboiny tsara.

Koa aoka isika

Mba haneho fitiavana.

3. Iza àry no namantsika?

’Reo mila fanampiana.

Jehovah tia ny rehetra,

Tsy manavakavaka.

Tena Ray Jehovah,

Sakaiza tsara tokoa.

Koa tahafo izy,

Fa be fangoraham-po.

4. Sakafo sy fitafiana,

Azontsika omena;

Fa ny tena tsara indrindra

Dia ny fahamarinana.

Ilay Paradisa

Sy ny Fanjakan’i Jah,

Torio amin’ny hafa,

Hahazoany fiainana.