Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Olona Tokony Hanao Ahoana moa Isika?

Olona Tokony Hanao Ahoana moa Isika?

Hira 177

Olona Tokony Hanao Ahoana moa Isika?

(2 Petera 3:11)

1. Tsarovy foana ilay andron’i Jehovah.

Aoka ho azy sy Jesosy ny fontsika.

Ity tontolo ity efa ho rava,

Akaiky ny fotoanan’ny mazava.

Tena ilaina ny mivavaka hatrany,

Koa aza atao tsirambina mihitsy ’zany.

Izay ao am-ponao lazao amin’i Jah,

Dia ho tsapanao, ho azonao ny fiadanana.

2. Hitan’ny olon-drehetra ’zay ataontsika;

Ka tokony hanao ahoana moa isika?

Tandremo tsara ny fitondran-tena.

Miezaha hatrany mba hahafoy tena.

Torio ’lay Fanjakana efa miorina izao.

Lazao fa hisy lanitra sy tany vaovao,

Hanjaka ao tokoa ny fahamarinana.

Koa mba hatsarao, ampitomboy ny fanompoana.

3. Tandremantsika ny fitsipik’i Jehovah,

Eo amin’ny asa sy ny fomba fiainantsika.

Kristy manala ny fahotantsika,

Ka azontsika ny fiadanana.

Hiezaka isika mba tsy hanan-tsiny.

Nafahan’i Jehovah ireo mpanompony.

’Zay tsy mivadika amin’i Jehovah,

Ho sakaizany, ka hampiany mba ho sambatra.