Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Omeo Voninahitra i Jehovah Raintsika

Omeo Voninahitra i Jehovah Raintsika

Hira 96

Omeo Voninahitra i Jehovah Raintsika

(Jaona 17:4)

1. Jehovah ô, midera anao

Ny voary eran-tany.

Nataonao ’zao rehetra izao,

Sitraponao izany.

Avy aminao ’reo zava-tsoa

Mbamin’ny fitahiana.

Samy tanteraka avokoa

Ireo faminaniana.

Tsara fanahy ianao, ry Ray,

Nandefa ny Zanakao,

Izay nanavotra anay;

Ka hoderainay ianao.

2. ’Lay asa nanirahanao

Dia vitan’i Jesosy.

Mandray soa ’zao tontolo izao,

Satria nahatoky izy.

Efa Mpanjaka izy ’zao,

Manaiky anao hatrany;

Torina ny anaranao

Manerana ny tany.

Faly ’zahay vahoakanao

Manao ny fitoriana.

Tsy ho ela dia hesorinao

Ireo fijaliana.

3. Koa hankalaza anao ’zahay,

Sy hampifaly anao.

Ny fiainanay atolotray

Mba hanompoanay anao.

Hajainay ny anaranao,

Ny asanao ataonay;

Ka ny fitiavanay anao

Tsy hihena mandrakizay.

Ny fonay sy ny herinay

No ideranay anao.

Ho voninahitrao, ry Ray,

Torinay ny anaranao.