Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Reseo Izao Tontolo Izao

Reseo Izao Tontolo Izao

Hira 3

Reseo Izao Tontolo Izao

(Jaona 16:33)

1. Misy ady ataontsika,

Ady ara-drariny.

Noho ny herin’i Jehovah,

Isika dia handresy.

Ilay asa fitoriana,

Halan’ny firenena;

Nefa tsy ho kivy ’sika,

Ho azo ny fandresena.

2. Ho voasedra ny Kristianina,

Noho izao tontolo izao.

Koa “Mahereza!”, hoy Kristy,

‘Fa izaho hanampy anao.’

Azo atao ny mandresy,

Tsy antsika ny ady.

Miady ho antsika Jehovah;

Resy ny fahavalony.

3. Hatanjaho ny finoana,

Reseo ’zao tontolo izao.

Efa manjaka Jesosy,

Ka handringana izy ’zao.

Toy ny efa nandreseny,

Azontsika atao ’zany.

Matokia an’i Jehovah,

Mba handresy hatrany.