Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ry Mpanjaka Mandrakizay, Hamasino ny Anaranao!

Ry Mpanjaka Mandrakizay, Hamasino ny Anaranao!

Hira 94

Ry Mpanjaka Mandrakizay, Hamasino ny Anaranao!

(Ezekiela 38:23)

1. Jehovah be fitiavana,

Endrey ny faharetanao!

Ny anaranao dia masina,

Tsy miova ny fikasanao.

Tanteraka ’zay sitrakao,

Mahagaga ny fahendrenao.

Akaiky ny Fanjakanao,

Ny ratsy dia haringanao.

2. Nataonao ’zao rehetra izao,

Ianao ’lay nisy hatrizay.

Tena mahari-po ianao,

Ry Mpanjaka mandrakizay.

Notendrenao ny Zanakao,

Efa manjaka izy ’zao;

Ka ireo fahavalonao,

Tsy ho ela dia haringanao.

3. ’Reo mpaminaninao taloha

Nitory ny famonjenao.

Efa tanteraka tokoa

Ny teny ’zay nambaranao.

Ny tany dia naorinao

Hitoetra ho mandrakizay.

Endrey ny voninahitrao,

Ry Jehovah Mpanjakanay!