Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ry Tanora, Tahafo ny Finoan’izy Ireo!

Ry Tanora, Tahafo ny Finoan’izy Ireo!

Hira 221

Ry Tanora, Tahafo ny Finoan’izy Ireo!

(Hebreo 6:12)

1. Mbola kely Samoela dia nitoetra

Tao amin’ny tempolin’i Jehovah.

Nanaiky ny ho Nazirita izy,

Nanjary mpaminany nahatoky.

’Reo zanak’i Ely dia ratsy fanahy,

Kanefa Samoela tsy voatarika,

Satria nankatò ka tsy nivadika,

Fa nifikitra tamin’i Jehovah.

2. Mbola zaza Timoty dia nianatra,

Nahalalany Tenin’i Jehovah.

Voatendry ho anti-panahy koa izy,

Satria nampihatra ’zay nianarany.

Tena tsara ny lazan’i Timoty,

Fony izy teo amin’ny fiangonany.

Niaraka tamin’i Paoly izy,

Ka lasa misionera nahatoky.

3. Ry anabavy tanora, tsarovy

Ny finoan’ilay zazavavy jiosy.

Na babo aza izy, nitory foana,

Ka nanam-pinoana sy fahasahiana.

Nilazany ’lay vadin’i Namàna:

‘Misy mpaminany manasitrana.’

Nihaino tokoa ’lay filoha syrianina,

Ka tena nositranin’i Jehovah.

4. Ry tanora, mahereza ianareo,

Tahafo ’reo oha-pinoana ireo.

Koa amin’izao “andro farany” ’zao,

Ny asan’i Jehovah no tanteraho.

Ianareo, ry tanora malalanay,

Samia mankalaza an’i Jehovah Ray.

’Ndao ’sika hitory amin’ny olona,

Fa hamaly soa antsika Jehovah.