Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

“Sambatra ny Malemy Fanahy”

“Sambatra ny Malemy Fanahy”

Hira 36

“Sambatra ny Malemy Fanahy”

(Matio 5:5)

1. Tahina ny malemy fanahy.

Ireo no tena sambatra,

Ka tsy mba kivy raha mijaly,

Fa miandry an’i Jehovah.

Ny ratsy dia mandrahona

Sady miavonavona,

Nefa ho ringana tsy ho ela,

Halazo toy ny ahitra.

2. ‘Efa tanora aho’, hoy Davida,

‘Izao kosa dia antitra;

Fa ireo olona mahitsy

Tsy mba nafoin’i Jehovah.’

Koa mifalia amin’i Jah,

Miezaha hanao ny marina.

Raha Jehovah no itokianao,

Dia hotahina ny asanao.

3. Ny mpanao ratsy dia ho foana,

Horava ny fonenany;

Fa ny mpandefitra hifaly,

Ary handova ny tany.

Mitari-dalana antsika

Ny Tenin’Andriamanitra.

Koa aok’ ianao hanetry tena,

Haneho fahalemem-panahy.