Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Sambatra ny Mamindra Fo!

Sambatra ny Mamindra Fo!

Hira 62

Sambatra ny Mamindra Fo!

(Matio 5:7)

1. Ny olona mamindra fo,

Ho sambatra sy handray soa!

Lazainy amin’ireo tso-po

Fa Jehovah mamindra fo.

Naneho ny fitiavany

I Jehovah, ka nomeny

Ho antsika ’zay mpanota

Ny vidim-panavotana.

2. Ireo ’zay tia mamindra fo,

Tahin’i Jehovah tokoa.

Hahazo fiainana izy

Noho ny soron’i Kristy.

Koa ny famindram-pon’i Jah,

Lazao amin’ny olona.

Torio ilay Fanjakana,

Izay efa miorina.

3. Raha tia mamindra fo ianao,

Havela ireo helokao.

Ianao tsy mba hatahotra

Rehefa hotsarain’i Jah.

Tahafo àry Jehovah,

Ka amindrao fo ny hafa.

Koa manehoa famindram-po,

’Zay toetra tena soa tokoa.

(FAMARANANA)

Ny olona mamindra fo,

Ho sambatra sy handray soa!