Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Sambatra ny Vahoakan’i Jehovah

Sambatra ny Vahoakan’i Jehovah

Hira 57

Sambatra ny Vahoakan’i Jehovah

(Salamo 89:15)

1. Sambatra ’zay manao ’lay asa mahafaly,

’Reo tia ny rariny; hotahinao izy.

Ho faly ’reo mandeha amin’ny hazavanao,

Sy manao ny asa ’zay anendrenao.

(Averina isan’andininy)

2. Mamitaka antsika tokoa ny Devoly.

Koa tohero izy, mitoria hatrany.

Jehovah no miaro ireo mpandefitra,

Hotahiny ’zay tia ny fahitsiana.

(Averina isan’andininy)

3. Aoka hiady mafy ’reo tia ny marina,

Aoka hivavaka, ary koa hiambina.

Miareta fisedrana, aza mivadika,

Ka ampifalio ny fon’i Jehovah.

(AVERINA ISAN’ANDININY)

Jehovah ô, ny hatsaram-ponao

Dia ho an’ireo ’zay tia ny anaranao.

Mino izy, ka manao ny asanao,

Mitarika azy ’reo ny Teninao.