“Sitrako Tokoa”
Hira 156
“Sitrako Tokoa”
1. Kristy Tompo tia antsika.
Izy nandao ny lanitra,
Hanome fiainana ho an’ny olona,
Sy hanambara ny marina.
Nampahery ny ketraka,
Nanasitrana aretina,
Nankatò izy sady nazoto,
Nanome toky hoe: “Sitrako.”
2. “Mahatoky sy malina”
Ny ‘mpanompon’i’ Jehovah.
Maneke hatrany ny fitarihany,
Ka ampio ireo sahirana.
Tena mila fitiavana
Sy fiantrana ny olona.
Ampionòny ireo malahelo.
Aok’ ianao hanao hoe: “Sitrako.”
3. Raha tena tianao Jehovah,
Dia ampio ny mpandefitra,
Izay ory tokoa sy mijaly am-po.
Asehoy azy ny marina.
Afa-po sy faly ’sika
Raha mandroso ireo nampiana,
Ka mazoto rehefa manompo,
Noho ’sika nanao hoe: “Sitrako.”