Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Tafika Lehibe Ireo Vehivavy

Tafika Lehibe Ireo Vehivavy

Hira 82

Tafika Lehibe Ireo Vehivavy

(Salamo 68:11)

1. Mazoto ireo vehivavy

Mitondra ny Tenin’i Jah.

Maro toy ny tafika ireo,

Mitory amin’ny olona.

Mifoha maraina koa izy,

Mandamina ny asany:

Mikarakara tokantrano

Sy manao ny fanompoany.

2. Mivavaka ho azy ’sika,

Hahazoany fitahiana.

Mitory tsy tapaka izy,

Ka derain’ireo rahalahy.

Sahirana izy rehetra,

Indrindra fa ny antitra,

Fa tsy mahafoy fivoriana,

Ka maneho fiaretana.

3. Hevero ireo anabavy:

Vady, reny, na zanaka.

Mamonjy ain’olona izy,

Ka mahita fifaliana.

Mendri-panajana izy ’reo,

Be ny vokatra hitany.

Tiavo ’reo anabavintsika,

Tsy foana ny fanompoany.