Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Tahafo i Jeremia

Tahafo i Jeremia

Hira 70

Tahafo i Jeremia

(Jeremia 1:7, 18)

1. Faly ’sika mitory

An’ilay Fanjakana.

Raha mahatoky ’sika,

Hotahin’i Jehovah.

Nefa hoy ny Baiboly:

‘Hisy koa fisedrana.

Ankoatra ny fifaliana,

Hisy zava-tsarotra.’

2. Mbola kely Jeremia

Dia nantsoin’i Jehovah

Mba hitory ny Teny,

Na dia natahotra aza.

Jehovah nampahery

Sy nampionona azy:

‘Ho tilikambo mafy ianao,

Ka tsy hisy haharesy.’

3. Nazoto i Jeremia

Nanao ny fanompoany.

Na teo aza ’reo loza,

Tsy nivadika izy.

Koa tahafo Jeremia,

Mitokia amin’i Jah.

Ambarao amin-kerim-po

Fa Mpanjaka Jehovah.