Tahio ny Fifankatiavanay
Hira 18
Tahio ny Fifankatiavanay
1. Feno hatsaram-panahy
Kristy nampianatra,
Fa tena mpirahalahy
Isika rehetra.
Nomeny ’lay modelin’ny
Fifankatiavana,
Ary ny fanetren-tena
Sy fahatokiana.
(Averina isan’andininy)
2. ’Reo fitsipik’i Jah,
Hotandremantsika.
Ho sambatra isika
Raha mankatò foana.
Ny tena amantarana
Ny mpianatr’i Kristy
Dia ny fifankatiavana;
Mifanasoa izy.
(Averina isan’andininy)
3. Itorio hatrany
’Reo tia ny marina,
Ampio mba hiandany
Amin’i Jehovah,
Ka ho tonga anisan’ny
Rahalahintsika,
Ho faly hanamafy ny
Fifankatiavana.
(AVERINA ISAN’ANDININY)
Midera anao ’zahay,
Jehovah Tomponay.
Tahio ny firaisan-tsainay
Sy ny fifankatiavanay.