Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Tano Mafy ‘Ilay Fanantenana Mahafaly Antsika’

Tano Mafy ‘Ilay Fanantenana Mahafaly Antsika’

Hira 119

Tano Mafy ‘Ilay Fanantenana Mahafaly Antsika’

(Titosy 2:13)

1. Maro ny olona kivy sy mijaly,

Fa zava-poana ny asa ataony.

Tena mitombo ireo mpanao ratsy,

Feno fahoriana ny tany.

(Averina isan’andininy)

2. Ny antony isian’ny faharatsiana,

Hitantsika ao amin’ny Baiboly.

Kristy hamaranany fahoriana,

Faly ’reo mpanara-dia azy.

(Averina isan’andininy)

3. Ny fitoriana atao ankehitriny,

Manampy ny olona tsy hatahotra.

Ny fijaliana tsy hisy intsony,

Koa tano ny fanantenana.

(AVERINA ISAN’ANDININY)

Akaiky ’zao ny Fanjakan’i Jah.

Kristy no hitondra ny fiadanana.

Koa tano mafy, aza ialana

’Lay fanantenana mahafaly antsika.