Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Tena Mikarakara Antsika i Jehovah

Tena Mikarakara Antsika i Jehovah

Hira 44

Tena Mikarakara Antsika i Jehovah

(1 Petera 5:7)

1. Mampionona tokoa Jehovah,

Sy mikarakara antsika.

‘Na ny volontsika aza re voaisa’,

Koa nahoana no manahy?

2. Aza avela hanakivy

Ny fitsapana misedra.

Ireo fody latsaka hitan’ny Ray,

Koa mainka fa isika!

3. Mijaly tokoa ny Kristianina,

Nefa eo foana Jehovah,

Mampianatra azy ho tsara toetra,

Manampy azy foana.

4. Tena Ray be fitia Jehovah,

Ka mikarakara antsika.

Ireo ’zay mazoto manompo azy,

Hahazo ny fiainana.