Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Tompoy i Jehovah, Ilay Tompo Fara Tampony

Tompoy i Jehovah, Ilay Tompo Fara Tampony

Hira 90

Tompoy i Jehovah, Ilay Tompo Fara Tampony

(Isaia 2:3)

1. Jehovah Andriamanitra,

Nasehonao ny marina.

Mamiratra ny hazavanao,

Ka maro no manompo anao.

2. Mihamitombo koa izao

Ireo mpivavaka aminao.

Ianao no hany mendrika

Handray ny voninahitra.

3. Tsy mianatra ady izahay,

Ny asanao no ataonay.

Hajainay ny anaranao,

Arahinay ny didinao.

4. Ny fonay dia faly satria

Efa manjaka Jesosy.

’Zahay hihira ho anao,

Hihoby ny Fanjakanao.