Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

“Torio ny Teny”!

“Torio ny Teny”!

Hira 162

“Torio ny Teny”!

(2 Timoty 4:2)

1. Andeha “torio ny Teny”,

Jehovah no mibaiko.

’Zao no fotoana voatendry,

Mankatoava amin’ny fo.

Mitoria sy mampianara,

Ampio ny mpandefitra.

Tsy mba atahorantsika

’Reo mitady hanohitra.

2. Andeha “torio ny Teny.”

Mivonòna hatrany

Mba hanome valin-teny

An’izay manontany.

Koa manàna fahasahiana

Raha misy manenjika.

Matokia an’i Jehovah,

Aza mba mivadika.

3. Andeha “torio ny Teny.”

Ilazao ny rehetra

Fa Jehovah dia hamely

An’ireo ’zay tsy miova.

Mitoria mba ho voavonjy

Ianao sy ny olon-kafa.

Ambarao maneran-tany

Ny anaran’i Jehovah.