Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Torio ny Vaovao Tsara Mandrakizay

Torio ny Vaovao Tsara Mandrakizay

Hira 6

Torio ny Vaovao Tsara Mandrakizay

(Apokalypsy 14:6-8)

1. Mihodidina ny tany ny anjelin’ny Ray,

Mitondra ny vaovao tsara mandrakizay.

Hoy izy: ‘Matahora ny Avo Indrindra.

Miankohofa amin’Andriamanitra;

Fa tonga ny ora fitsaran’i Jehovah,

Ka tsy ho ela ny ratsy dia haringana.’

Koa sahy ’reo mpitory ’lay Fanjakana,

Milaza eran-tany ’lay vaovao tsara.

2. Efa nambaran’ny anjely faharoa,

’Lay hafatra torintsika amin-kerim-po:

‘I Babylona Lehibe dia nianjera,

Ka tsy ho ela dia horavan’i Jehovah.’

Koa izy no mibaiko antsika hitory

Ny anarany sy ny andro famaliany.

Ny faritanintsika lehibe tokoa;

Anjely no mitarika, koa mandrosoa.

3. Ataon’ny anjely sy ny “Zanak’olona”

Ny asa fitsarana ’reo firenena.

Ankahalao ny ratsy, tiavo ny tsara.

Ry “ondry” mahatoky, atahory Jah!

Tsy maintsy torintsika ny vaovao tsara,

Koa ambarao foana ny fahamarinana.

Ny olona rehetra no asaintsika

Hifaly sy hanompo an’i Jehovah.