Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Toy ny “Ando” ny Vahoakan’i Jehovah

Toy ny “Ando” ny Vahoakan’i Jehovah

Hira 17

Toy ny “Ando” ny Vahoakan’i Jehovah

(Salamo 110:3)

1. Toy ny andon’ny maraina,

’Zay mamelombelona,

Sarobidy amin’i Kristy

’Reo sisa voahosotra.

2. Toy ny ando ny Kristianina

Eo anivon’ny olona,

Miantra sady mampahery,

Mitady fihavanana.

3. Toy ny ando ny ondry hafa,

Ka manampy ny sisa.

Izy ’reo miara-manompo,

Mahita fifaliana.

4. Maro ny mpiasa an-tsitrapo

Midera an’i Jehovah.

Toy ny ando koa isika,

Torio ’lay Fanjakana.