Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

“Tsy Anisan’izao Tontolo Izao”

“Tsy Anisan’izao Tontolo Izao”

Hira 24

“Tsy Anisan’izao Tontolo Izao”

(Jaona 17:16)

1. Nifidy antsika Jehovah;

Hanompo azy isika,

Hanara-dia an’i Kristy,

Handa ity tontolo ity.

2. Tohero ny fakam-panahy,

Ataovy ny asan’i Jah.

Koa halaviro ny ratsy

Mba hiainantsika ho doria.

3. Ilaozy ’zao tontolo izao,

Ho sakaizan’i Jah ianao.

Jehovah no fiarovana,

Raha misy fanenjehana.

4. Isika tsy ho ketraka,

Satria Kristy nivavaka:

‘Arovy sy karakarao

Ireo ’zay tia ny anaranao.’