‘Tsy Mahay Mandainga Andriamanitra’
Hira 149
‘Tsy Mahay Mandainga Andriamanitra’
1. Abrahama nino an’i Jehovah,
’Zay nampanantena azy fitahiana.
Izy nahatoky, ka nanaiky fa
Andriamanitra tsy mahay mandainga.
2. Jehovah manaja ny fianianany,
Tsy maintsy tanteraka ny teniny.
Koa izay lazainy dia inoantsika,
Satria Jehovah tsy mahay mandainga.
3. Ny fanantenantsika azo antoka,
Satria Jehovah nanao fianianana.
Hatanjaka foana ny finoantsika,
Satria ’lay Raintsika tsy mba mandainga.
4. Jehovah mahatoky sy tia rariny,
Tsy mivadika amin’ireo tia azy.
Atokisantsika ny Tenin’i Jah;
Andriamanitra tsy mahay mandainga.