Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Tsy Maintsy Manam-pinoana Isika

Tsy Maintsy Manam-pinoana Isika

Hira 144

Tsy Maintsy Manam-pinoana Isika

(Hebreo 10:39)

1. Jehovah nampiasa ’reo mpaminany

Rehefa nanambara ny fikasany.

Ampiasainy kosa izao i Kristy;

’Zay mihaino azy dia ho voavonjy.

(Averina isan’andininy)

2. Aok’ isika hanana fahasahiana.

Ilaintsika izany mba hitoriana.

Ny finoan’i Jesosy no tahafo.

Jehovah hanome anao ny valisoa.

(Averina isan’andininy)

3. ’Zay mihemotra dia haringan’i Jah;

’Zay manam-pinoana no ho velona.

Na dia maro aza ny mpanohitra,

Isika hitana ny finoantsika.

(AVERINA ISAN’ANDININY)

Koa tsy maintsy manam-pinoana isika.

Miezaha mba ho tafavoaka velona.

Raha arahin’asa ny finoantsika,

Dia ho voavonjy koa ny aintsika.