Tsy Maintsy Miandry An’i Jehovah Isika
Hira 179
Tsy Maintsy Miandry An’i Jehovah Isika
1. Miandry an’i Jehovah
’Reo sisa voahosotra.
Manantena izy ’reo
Fa ho lasa Mpanjaka.
Kristy no voatendry
Hitondra ny tany;
Ka homeny valisoa
’Reo tena mpianany,
Manao ny asany.
2. Ao koa ny vahoaka be,
Miandry an’i Jehovah;
Ka ny tena tanjony
Dia ny tsy hivadika.
Inoan’izy ’reo
Fa hiseho ireo
Zanak’Andriamanitra,
Izay hamerina
Ny fiadanana.
3. Jehovah nilaza fa
Ny tany sy lanitra
Dia hataony vaovao,
Hisy fahamarinana.
Ho tonga izany,
Andraso hatrany.
Matokia tanteraka,
Miandrasa an’i Jah,
Miandrasa an’i Jah.