Vahoaka Nanolo-tena ho An’i Jehovah
Hira 196
Vahoaka Nanolo-tena ho An’i Jehovah
1. Ny sisa voahosotra
Dia efa voatokana,
Mba hanompo an’i Jah
Sy hanampy ny olona.
2. Misy koa vahoaka be,
“Ondry hafa” maro be;
Ny batisany maneho
Fa nanolo-tena ireo.
3. Izy ’reo mitory koa
Sady feno zotom-po,
Miara-miasa amin’ny
‘Ondry vitsin’i’ Kristy.
4. Ny sisa voahosotra,
Ny ondry hafa rehetra,
Mankatò an’i Kristy,
Mampifaly ny Rainy.