Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Vavaka Fisaorana

Vavaka Fisaorana

Hira 45

Vavaka Fisaorana

(Salamo 65:2)

1. Ry Jehovah Tompo Mpanjakanay,

Akarinay aminao ny feonay.

Mpihaino vavaka tokoa ianao,

’Zahay miangavy ny fiarovanao.

Manao hadisoana maro ’zahay,

Ny famelanao angatahinay.

Nividy anay ny ran’ny Zanakao.

Irinay ’zao ny hampianarinao.

2. Sambatra ny olona ’zay fidinao

Mba hampianarina ao an-tranonao.

Ny Teninao no mitarika anay.

Ny zava-tsoanao mahafaly anay.

Mahatalanjona ny herinao,

Rariny foana ny fitsaranao.

Derainay ianao, ry Mpamonjy anay.

Ny Fanjakanao no hotorinay.

3. Tahio, Jehovah, ny vahoakanao

Mba hihamaro ny mpidera anao.

Rehefa tonga ’lay Fanjakana

Dia hanafoana ny fahoriana.

Ny ratsy haringan’ny Zanakao,

Ka hifaly ny zavaboarinao.

Mihobia, misaora, ka mihirà:

“Derao Jehovah Mpanjakantsika!”