Vavaky ny Mpanompon’Andriamanitra
Hira 88
Vavaky ny Mpanompon’Andriamanitra
1. Jehovah, Rainay ianao,
Derainay ny anaranao.
Tsy mivadika ianao,
Tsy miova ny fiantranao.
Tsy miova ny fiantranao,
Tsy mivadika ianao.
2. Torinay ny Teninao,
Ataonay ny sitrakao.
Ekenay ny didinao,
Tianay koa ny ‘ondrinao.’
Tianay koa ny ‘ondrinao’,
Ekenay ny didinao.
3. Hendry ’reo ’zay tia anao.
Miray saina ny olonao,
Tsy manavakavaka,
Mifamela heloka;
Mifamela heloka,
Tsy manavakavaka.
4. Tianay ny fanompoanay,
Tena faly ny fonay.
Angatahinay izao
Ny handrosoan’ny asanao.
Ny handrosoan’ny asanao,
Angatahinay izao.