Vavolombelona Maro
Hira 127
Vavolombelona Maro
1. Vavolombelona maro
No eo anilako,
Mpanompon’i Jehovah
Mahatoky avokoa.
Vahoaka be izy ’reo,
An’alinalina,
Eran’izao tontolo izao,
Mankalaza an’i Jah.
2. Vavolombelona maro,
Manompo an’i Jah
Eo amin’ny tempoly,
Andro sy alina.
Toriny eran-tany
Fa ny Mpamonjy azy
Dia Jehovah Andriamanitra
Sy ny Zanak’ondry.
3. Vavolombelona maro,
Samy manambara
Ny vaovao mahafaly
Amin’ny rehetra.
Tsy mahakivy azy
Ny fanenjehana,
Fa manatanjaka azy
Kristy Mpiandry Tsara.