Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Vavolombelon’i Jehovah Isika!

Vavolombelon’i Jehovah Isika!

Hira 113

Vavolombelon’i Jehovah Isika!

(Isaia 43:10-12)

1. Manao sampy ny olona,

Mandà an’i Jehovah,

Nefa izy ’rery

No Avo Indrindra.

Tsisy Andriamanitra,

Ankoatra an’i Jehovah,

Mahay mamonjy ny olony

Sy manambara ny hoavy.

(Averina isan’andininy)

2. ‘Ianareo’, hoy Jehovah,

‘No Vavolombelona

Izay nofidiko

Mba hanompo ahy.

Aza mba matahotra

Ireo sampin’ny olona,

Fa ianareo dia harovako.

Ambarao ny anarako.’

(Averina isan’andininy)

3. Tsy maintsy torintsika

Ny anaran’i Jehovah.

Koa ampitandremo

Ny mpanohitra.

’Reo tena mibebaka,

Ho voavela heloka

Ary hahita fiadanana

Sy fiainana maharitra.

(AVERINA ISAN’ANDININY)

Mitoria ny marina,

Aza mba matahotra.

Vavolombelon’i Jehovah,

’Zay no anarantsika.