Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ahoana no Itarihan’i Jehovah ny Fandaminany?

Ahoana no Itarihan’i Jehovah ny Fandaminany?

Toko Fahefatra Ambin’ny Folo

Ahoana no Itarihan’i Jehovah ny Fandaminany?

1. Inona no lazain’ny Baiboly momba ny fandaminan’i Jehovah? Nahoana izany no zava-dehibe?

 MANANA fandaminana ve Andriamanitra? Manana izy, raha ny Soratra Masina no jerena. Asehony kely ao amin’ny Teniny ny tapany any an-danitra amin’io fandaminana io. (Ezekiela 1:1, 4-14; Daniela 7:9, 10, 13, 14) Mahakasika ny mpivavaka marina ankehitriny io tapany any an-danitra io, na dia tsy hita maso aza. (2 Mpanjaka 6:15-17) Manana fandaminana hita maso eto an-tany koa i Jehovah. Manampy antsika hamantatra azy io sy ny fomba itarihan’i Jehovah azy io ny Baiboly.

Famantarana ilay fandaminana hita maso

2. Inona ilay fiangonana vaovao noforonin’Andriamanitra?

2 Fiangonan’Andriamanitra ny Isiraely, nandritra ny 1 545 taona. (Asan’ny Apostoly 7:38) Tsy nanaraka ny lalàn’Andriamanitra anefa izy ireo, ary nandà ny Zanany. Nolavin’i Jehovah sy nariany io fiangonana io, noho izany. Hoy i Jesosy tamin’ny Jiosy: “Indro, avela ho lao ho anareo ny tranonareo.” (Matio 23:38) Namorona fiangonana vaovao Andriamanitra, taorian’izay, ary nanao fanekena vaovao tamin’izy io. Olona 144 000 nofidin’Andriamanitra hiaraka amin’ny Zanany any an-danitra no ho ao amin’io fiangonana io.—Apokalypsy 14:1-4.

3. Inona no porofo nazava tamin’ny Pentekosta taona 33, fa nampiasa fiangonana vaovao Andriamanitra?

3 Nohosorana tamin’ny fanahy masin’i Jehovah ireo voalohany tamin’io fiangonana vaovao io, tamin’ny Pentekosta taona 33. Izao no vakintsika momba io fisehoan-javatra niavaka io: “Ary nony tonga ny Andro Pentekosta, dia teo amin’ny fitoerana iray izy rehetra. Ary nisy feo tonga tampoka avy tany an-danitra, toy ny rivotra mahery mifofofofo, ka nanenika ilay trano niangonany. Ary nisy lela maro mitarehin’afo niseho taminy, izay nizarazara; ary nipetraka tamin’izy rehetra isan-olona izany. Ary samy feno ny Fanahy Masina izy rehetra.” (Asan’ny Apostoly 2:1-4) Tamin’izany no nanomezan’ny fanahin’Andriamanitra porofo mazava fa io antokon’olona io indray izao no hampiasain’Andriamanitra hanatanteraka ny fikasany eo ambany fitarihan’i Jesosy Kristy any an-danitra.

4. Iza no fandaminan’i Jehovah hita maso ankehitriny?

4 Ny sisa amin’ny 144 000 izao no mbola eto an-tany. Tanteraka anefa ny faminanian’ny Baiboly, ka misy “olona betsaka” anisan’ny “ondry hafa” miisa an-tapitrisa, ampiarahina amin’ny sisa voahosotra. Akamban’i Jesosy Mpiandry Tsara amin’ny sisa ireo ondry hafa ireo mba ho andiany iray andrasany. (Apokalypsy 7:9; Jaona 10:11, 16) Ireo no mitambatra ho fiangonana tafaray, dia ny fandaminan’i Jehovah hita maso.

Tarihin’Andriamanitra

5. Iza no mitarika ny fandaminan’Andriamanitra? Amin’ny fomba ahoana?

5 Hita avy amin’ilay teny hoe “fiangonan’Andriamanitra velona” ao amin’ny Soratra Masina ny hoe iza no mitarika azy io. Andriamanitra no mitarika an’io fandaminana io. Ny toromarik’i Jehovah dia omeny amin’ny alalan’i Jesosy, ilay notendreny ho Loha tsy hita mason’ny fiangonana, sy amin’ny alalan’ny Baiboly, Teniny ara-tsindrimandry.—1 Timoty 3:14, 15; Efesiana 1:22, 23; 2 Timoty 3:16, 17.

6. a) Ahoana no nisehoan’ny fitarihana avy any an-danitra tamin’ny taonjato voalohany? b) Inona no mampiseho fa mbola Lohan’ny fiangonana i Jesosy?

6 Niharihary io fitarihana io tamin’ny Pentekosta. (Asan’ny Apostoly 2:14-18, 32, 33) Hita izy io rehefa nitarika ny fitoriana ny vaovao tsara tatsy Afrika ny anjelin’i Jehovah, sy rehefa re nanome toromarika momba ny fiovan’i Saoly avy any Tarsosy ny feon’i Jesosy, ary rehefa nanomboka nitory tamin’ny Jentilisa i Petera. (Asan’ny Apostoly 8:26, 27; 9:3-7; 10:9-16, 19-22) Tsy nisy feo avy any an-danitra intsony anefa tatỳ aoriana, ary tsy nisy anjely hita intsony, sady tsy nisy fanomezana mahagaga avy amin’ny fanahy masina intsony. Nampanantena toy izao kosa i Jesosy: “Indro, Izaho momba anareo mandrakariva ambara-pahatongan’ny fahataperan’izao tontolo izao.” (Matio 28:20; 1 Korintiana 13:8) Manaiky ny fitarihan’i Jesosy ny Vavolombelon’i Jehovah ankehitriny. Tsy ho vita mihitsy ny fitoriana ny hafatra momba ilay Fanjakana, raha tsy eo izany, satria mafy ny fanoherana.

7. a) Iza no “mpanompo mahatoky sy manan-tsaina”, ary nahoana? b) Inona no nasaina hataon’io “mpanompo” io?

7 Nolazain’i Jesosy Tompo taloha kelin’ny nahafatesany ny momba ny “mpanompo mahatoky sy manan-tsaina” nomeny andraikitra manokana. Teo io “mpanompo” io rehefa lasa tany an-danitra i Kristy Tompo, ary mbola eo am-piasana mafy izy io rehefa lasa Mpanjaka any an-danitra izy. Tsy hety ho olona iray mihitsy io mpanompo io, fa mety kosa mba iantsoana ny fiangonan’ny voahosotr’i Kristy. Nantsoin’i Jesosy hoe “mpanompo” izy io satria novidiny tamin’ny rany. Nasainy hanao mpianatra sy hamahana izany tsy tapaka ilay mpanompo, ary hanome azy “hanina [ara-panahy] amin’ny fotoana.”—Matio 24:45-47; 28:19; Isaia 43:10; Lioka 12:42; 1 Petera 4:10.

8. a) Inona izao no andraikitr’ilay mpanompo? b) Nahoana no zava-dehibe ny fihetsitsika manoloana ny fitaovana ampiasain’Andriamanitra?

8 Teo am-panaovana ny asan’ny Tompo ilay mpanompo, rehefa niverina tamin’ny fomba tsy hita maso izy tamin’ny 1914. Miharihary fa nomena andraikitra bebe kokoa io mpanompo io tamin’ny 1919. Fotoana tokony hitoriana ilay Fanjakana maneran-tany ireo taona taorian’izay, ary nisy vahoaka betsaka mpanompon’i Jehovah nangonina mba ho voatsimbina amin’ny fahoriana lehibe. (Matio 24:14, 21, 22; Apokalypsy 7:9, 10) Mila sakafo ara-panahy koa izy ireo, ary ilay mpanompo no manome izany ho azy. Mila manaiky ny toromarika omen’i Jehovah amin’ny alalan’io fitaovana io àry isika, ary hanao zavatra mifanaraka amin’izany, raha tiantsika ny hahazo sitraka aminy.

9, 10. a) Inona no natao tamin’ny taonjato voalohany mba handaminana raharaha momba ny foto-pampianarana sy ny tari-dalana momba ny fitoriana ny vaovao tsara? b) Ahoana no andaminana ny asan’ny vahoakan’i Jehovah ankehitriny?

9 Misy fanontaniana momba ny foto-pampianarana sy ny fomba fiasa, indraindray. Ahoana no hatao? Resahin’ny Asan’ny Apostoly 15 amintsika ny fomba nandaminana raharaha momba ny Jentilisa lasa Kristianina. Nentina tany amin’ny apostoly sy ny anti-panahy tany Jerosalema ilay raharaha, satria izy ireo no filan-kevi-pitantanana. Olona nety diso izy ireo, saingy izy ireo no nampiasain’Andriamanitra. Nofakafakain’izy ireo ny andinin-teny momba ilay raharaha, sy ny porofon’ny fiasan’ny fanahin’Andriamanitra teo amin’ny fitoriana tamin’ny Jentilisa. Nanapa-kevitra izy ireo avy eo. Notahin’i Jehovah ilay fandaharana. (Asan’ny Apostoly 15:1-29; 16:4, 5) Nisy olona nirahin’io filan-kevi-pitantanana io mba hampandroso ny fitoriana ilay Fanjakana.

10 Rahalahy voahosotra avy any amin’ny tany maromaro no ao amin’ny Filan-kevi-pitantanan’ny fandaminan’i Jehovah hita maso ankehitriny, ary any amin’ny foibe maneran-tanin’ny Vavolombelon’i Jehovah no misy azy ireo. I Kristy no lohan’ny Filan-kevi-pitantanana. Mampandroso ny fivavahana madio maneran-tany izy ireo, ary mandamina ny fitorian’ny Vavolombelon’i Jehovah any amin’ireo fiangonany an’alina. Miray hevitra amin’izao tenin’ny apostoly Paoly ho an’ny Kristianina namany izao ny Filan-kevi-pitantanana: “Tsy mihambo ho tompon’ny finoanareo izahay, fa mpiara-miasa hampandroso ny fifalianareo, satria finoana no itoeranareo.”—2 Korintiana 1:24.

11. a) Ahoana no anendrena anti-panahy sy mpanampy amin’ny fanompoana? b) Nahoana isika no tokony hiara-miasa akaiky amin’ireo voatendry?

11 Miantehitra amin’ny Filan-kevi-pitantanana ny Vavolombelon’i Jehovah maneran-tany mba hifidy rahalahy mahafeno fepetra. Ireo kosa indray no mahazo manendry anti-panahy sy mpanampy amin’ny fanompoana, hikarakara ny fiangonana. Voalaza ao amin’ny Baiboly ny fepetra takina amin’ireo olona tendrena, ary asiana fiheverana koa ny hoe tsy lavorary sy manao diso ireny lehilahy ireny. Manana andraikitra lehibe eo anatrehan’Andriamanitra ireo anti-panahy manolotra sy ireo manendry. (1 Timoty 3:1-10, 12, 13; Titosy 1:5-9) Mivavaka àry izy ireo mba hanampian’ny fanahin’Andriamanitra azy, ary tadiaviny koa ny fitarihan’ny Teniny. (Asan’ny Apostoly 6:2-4, 6; 14:23) Aoka isika hankasitraka an’ireny lehilahy “fanomezana” ireny, satria manampy antsika rehetra mba “ho amin’ny firaisan’ny finoana” izy ireny.—Efesiana 4:8, 11-16.

12. Ahoana no ampiasan’i Jehovah ny vehivavy ao amin’ny fandaminany?

12 Milaza ny Soratra Masina fa ny lehilahy no tokony hiandraikitra ny fiangonana. Tsy manambany ny vehivavy izany, satria misy vehivavy anisan’ny mpandova ilay Fanjakana any an-danitra, ary izy ireo koa no manao ny ankabeazan’ny asa fitoriana. (Salamo 68:11) Mahatonga ny fiangonana ho tsara laza koa ny fiantsorohan’izy ireo tsara ny andraikiny ao amin’ny fianakaviana. (Titosy 2:3-5) Anjaran’ny lehilahy voatendry hanao izany kosa ny mampianatra eo anivon’ny fiangonana.—1 Timoty 2:12, 13.

13. a) Ahoana no lazain’ny Baiboly fa tokony ho fiheveran’ny anti-panahy ny toerany? b) Inona no tombontsoantsika rehetra?

13 Heverina ho ambony ny olona manana andraikitra lehibe eo amin’izao tontolo izao. Izao kosa no fitsipika ao amin’ny fandaminan’Andriamanitra: “Izay kely indrindra ao aminareo rehetra, dia izy no lehibe.” (Lioka 9:46-48; 22:24-26) Manoro hevitra ny anti-panahy ny Baiboly, mba tsy hanjakazaka amin’ny lovan’Andriamanitra, fa ho ohatra ho an’ny ondry kosa. (1 Petera 5:2, 3) Ny Vavolombelon’i Jehovah rehetra, fa tsy ny vitsivitsy aminy ihany, no manana tombontsoa hisolo tena an’ilay Tompon’izao rehetra izao, hiteny amim-panetren-tena amin’ny anarany ary hanambara amin’ny olona rehetra ny Fanjakany.

14. Ampiasao ireo andininy voatonona eto, ka iaraho midinika ireo fanontaniana.

14 Tsara raha manontany tena toy izao isika: ‘Tena mankasitraka ny fomba itarihan’i Jehovah ny fandaminany hita maso ve aho? Mampiseho izany ve ny toetrako sy ny teniko ary ny ataoko?’ Manampy antsika tsirairay handini-tena ny fisaintsainana ireto hevitra ireto.

Inona no hataoko, raha tena manaiky an’i Kristy ho Lohan’ny fiangonana aho, araka ny voalazan’ireto andininy ireto? (Matio 24:14; 28:19, 20; Jaona 13:34, 35)

Iza no hajaiko raha ekeko sy ankasitrahako ny fandaharana ara-panahy atao amin’ny alalan’ilay mpanompo sy ny Filan-kevi-pitantanany? (Lioka 10:16)

Ahoana no tokony hifampitondran’ny rehetra ao amin’ny fiangonana, indrindra fa ny anti-panahy? (Romana 12:10)

15. a) Inona no asehontsika amin’ny fihetsitsika manoloana ny fandaminan’i Jehovah hita maso? b) Ahoana no ahafahantsika mampifaly ny fon’i Jehovah sy manaporofo fa mpandainga ny Devoly?

15 Mitarika antsika amin’ny alalan’ny fandaminany hita maso tarihin’i Kristy i Jehovah. Hita amin’ny fihetsitsika manoloana ny fomba fandaminan’i Jehovah zavatra ny fiheverantsika an’ilay raharaha momba ny zony hitondra. (Hebreo 13:17) Milaza i Satana fa ny tenantsika ihany no mahaliana antsika. Hoporofointsika anefa fa mpandainga ny Devoly, raha manompo amin’izay zavatra rehetra ilana antsika isika, ary manalavitra ireo zavatra misarika fotsiny ny saina ho amintsika. Hahafaly an’i Jehovah isika, raha tia sy manaja an’ireo mitari-dalana antsika, ary tsy “mandoka olona mba [hahazoana] zavatra.” (Joda 16; Hebreo 13:7) Rehefa tsy mivadika amin’ny fandaminan’i Jehovah isika, dia mampiseho fa Andriamanitsika i Jehovah, ary tafaray isika manompo azy.—1 Korintiana 15:58.

Famerenana

• Inona no fandaminan’i Jehovah hita maso ankehitriny? Inona no zava-kendreny?

• Iza no voatendry ho Lohan’ny fiangonana, ary inona avy no fitaovana hita maso anomezany tari-dalana feno fitiavana ho antsika?

• Inona no fihetsika tsara tokony hananantsika manoloana ny fandaminan’i Jehovah?

[Fanontaniana]

[Sary, pejy 133]

Mitarika antsika amin’ny alalan’ny fandaminany hita maso tarihin’i Kristy i Jehovah