Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Asehoy ao An-trano ny Toe-panahy Araka An’Andriamanitra

Asehoy ao An-trano ny Toe-panahy Araka An’Andriamanitra

Toko Fahafito Ambin’ny Folo

Asehoy ao An-trano ny Toe-panahy Araka An’Andriamanitra

1. Inona no vokatry ny fampiharana ny tari-dalan’ny Tenin’Andriamanitra teo amin’ny fanambadiana?

 I JEHOVAH no Loharanon’ny fanambadiana, ary ao amin’ny Teniny no misy ny tari-dalana tsara indrindra ho an’ny fianakaviana. Maro no nanana tokantrano sambatra, rehefa nampihatra izany tari-dalana izany. Nahafinaritra fa nisy nanjary nisora-panambadiana ireo nanao tokantranomaso. Maro koa no tsy nijangajanga intsony. Nianatra ny ho tsara fanahy sy haneho fitiavana ny fianakaviany ny lehilahy nampijaly ny vady aman-janany.

2. Inona avy no zavatra tafiditra amin’ny fiainam-pianakaviana kristianina?

2 Maro ny zavatra tafiditra amin’ny fiainam-pianakaviana kristianina. Anisan’izany ny fiheverana ny faharetan’ny fanambadiana sy ny zavatra atao mba hanatontosana ny adidy ao an-tokantrano ary ny fomba ifampitondran’ny mpianakavy. (Efesiana 5:33–6:4) Mbola raharaha hafa ny fampiharana ny torohevitry ny Baiboly, na dia mety ho efa fantatsika aza izay lazainy momba ny fiainam-pianakaviana. Tsy misy amintsika maniry ho anisan’ireo nomelohin’i Jesosy noho ny fandikana ny didin’Andriamanitra. Noheverin’izy ireo fa ampy mantsy ny fitiavam-bavaka, nefa diso izany. (Matio 15:4-9) Tsy tiantsika ny hanana endriky ny toe-panahy araka an’Andriamanitra, nefa tsy mampihatra izany amin’ny ao an-tranontsika. Tiantsika kosa ny haneho ny tena toe-panahy araka an’Andriamanitra, satria “misy tombony lehibe” izany.—1 Timoty 5:4; 6:6; 2 Timoty 3:5.

Firy taona no faharetan’ny fanambadiana?

3. a) Inona no mitranga amin’ny fanambadiana maro, nefa tokony ho tapa-kevitra hanao inona isika? b) Ampiasao ny Baiboly mba hamaliana ireo fanontaniana eo ambanin’ity fehintsoratra ity.

3 Toa mihamora tapaka izao ny fatoram-panambadiana. Misara-panambadiana sy manambady olon-kafa ny mpivady sasany efa nivady nandritra ny taona maro be. Tsy mahagaga intsony koa ny mandre mpivady vao nifampisintaka. Tokony haniry hampifaly an’i Jehovah anefa isika, na inona na inona ataon’ny olona. Andeha àry hofakafakaintsika ireto fanontaniana sy andinin-teny ireto, mba hahitantsika izay lazain’ny Tenin’Andriamanitra momba ny faharetan’ny fanambadiana.

Firy taona no tokony hiara-mipetraka ny olon-droa nivady? (Marka 10:6-9; Romana 7:2, 3)

Inona ihany no antony marim-pototra eo imason’Andriamanitra ahafahana misara-panambadiana sy manambady olon-kafa? (Matio 5:31, 32; 19:3-9)

Ahoana no fiheveran’i Jehovah ny fisaraham-panambadiana tsy araka ny lazain’ny Teniny? (Malakia 2:13-16)

Ny fisintahana ve no lazain’ny Baiboly fa fomba handaminana olana ara-panambadiana? (1 Korintiana 7:10-13)

Inona avy no tarehin-javatra mety hitaky ny fisintahana? (Salamo 11:5; Lioka 4:8; 1 Timoty 5:8)

4. Nahoana no misy fanambadiana maharitra?

4 Misy fanambadiana sambatra sy maharitra. Nahoana? Anisan’ny mahatonga izany ny fiandrasana mandra-pahamatotry ny andaniny sy ny ankilany. Zava-dehibe koa ny fitadiavana vady mitovy zava-mahaliana amin’ny tena sy azo iresahana tsara. Ny tena zava-dehibe indrindra anefa dia ny fitadiavana vady tia an’i Jehovah sy manaiky ny Teniny ho fototra hamahana olana. (Salamo 119:97, 104; 2 Timoty 3:16, 17) Tsy mieritreritra mihitsy ny olona toy izany fa ny fisintahana na ny fisarahana no vahaolana, raha sendra tsy mandeha tsara ny tokantranony. Tsy hataony fialana mba hanilihana ny andraikiny ny kileman-toetran’ny vadiny. Tsy hatahotra olana kosa izy, fa hitady vahaolana.

5. a) Inona no ifandraisan’ny tsy fivadihana amin’i Jehovah sy ny fanambadiana? b) Inona no soa azo noho ny fanarahana ny fitsipik’i Jehovah, na dia misy aza ny fanoherana?

5 Milaza i Satana fa tsy hanaraka ny lalan’i Jehovah isika, rehefa mijaly. (Joba 2:4, 5; Ohabolana 27:11) Tsy nivadika tamin’ny voadim-panambadiany anefa ny ankamaroan’ny Vavolombelon’i Jehovah nijaly noho ny fananana vady mpanohitra. Mbola tsy mivadika amin’i Jehovah sy ny didiny ihany izy ireo. (Matio 5:37) Faly mihitsy ny sasany tamin’izy ireo, satria nanaraka azy nanompo an’i Jehovah koa ny vadiny, na dia nanenjika azy nandritra ny taona maro aza! (1 Petera 3:1, 2) Tsy miova mihitsy anefa ny vadin’ny Kristianina sasany, na nandao azy noho izy manompo an’i Jehovah. Na izany aza, dia fantatr’ireny Kristianina ireny fa hotahin’i Jehovah izy, satria tena maneho toe-panahy araka an’Andriamanitra ao an-tranony.—Salamo 55:22; 145:16.

Samy manao ny anjarany

6. Inona no fandaharana tsy maintsy hajaina mba hisian’ny fanambadiana vanona?

6 Mazava ho azy fa tsy ampy mba hisian’ny fanambadiana vanona ny hoe miara-mipetraka. Anisan’ny tena ilain’ireo mpivady ny fanajana ny fandaharan’i Jehovah momba izay lohany. Mahatonga firindrana sy filaminan-tsaina ao an-tokantrano izany. Izao no vakintsika ao amin’ny 1 Korintiana 11:3: “Kristy no lohan’ny lehilahy rehetra; ary ny lehilahy kosa no lohan’ny vehivavy; ary Andriamanitra no lohan’i Kristy.”

7. Ahoana no tokony hampiharana ny fahefan’ny loham-pianakaviana?

7 Hitanao ve ny zavatra voalohany voalazan’ilay andininy? Manana Loha tokony hekeny tokoa ny lehilahy rehetra, dia i Kristy izany. Midika izany fa tokony hampiseho ny toetran’i Jesosy ny lehilahy, rehefa mampihatra ny fahefan’ny lohany. Nanaiky an’i Jehovah sy tia ny fiangonana ary nikarakara azy io i Kristy. (1 Timoty 3:15) ‘Nanolotra ny tenany hamonjy azy io’ mihitsy aza izy. Tsy niavonavona na tsy nihevitra ny olon-kafa i Jesosy, fa ‘nalemy fanahy sy tsy niavona am-po’ kosa. ‘Nahita fitsaharana ho an’ny fanahiny’ ireo teo ambany fahefany. Mampiseho ny fanekeny an’i Kristy ny lehilahy, raha mitondra ny fianakaviany toy izany. Mahasoa sy mamelombelona an’ilay vehivavy amin’izay ny miara-miasa sy manaiky ny fitarihan’ny vadiny.—Efesiana 5:25-33; Matio 11:28, 29; Ohabolana 31:10, 28.

8. a) Nahoana no toa mety tsy hisy vokany araka ny nantenaina ny toetra kristianina, any amin’ny tokantrano sasany? b) Inona no tokony hatao rehefa mitranga izany?

8 Hisy olana hitranga foana anefa. Mety ho efa nisy lolompo sy fiheverana ho voafehifehy tao amin’ireo mpianakavy, talohan’ny nampiharany ny fitsipiky ny Baiboly. Toa mety tsy hisy vokany ny fangatahana amin-katsaram-panahy sy ny fahalalam-pomba feno fitiavana. Fantatsika fa milaza ny Baiboly hoe tokony hesorina ny “fahatezerana sy ny fitabatabana sy ny fitenenan-dratsy.” (Efesiana 4:31) Inona anefa no tokony hatao raha efa zatra an’izany ilay olona? Tsy nanahaka an’ireo nandrahona sy niteny ratsy azy i Jesosy, fa niantehitra tamin-dRainy. (1 Petera 2:22, 23) Miezaha àry mampiharihary ny toe-panahy araka an’Andriamanitra ao an-trano, ka mangataha fanampiana amin’i Jehovah, rehefa misy olana ao an-tokantrano, fa aza manahaka ny fomban’izao tontolo izao.—Ohabolana 3:5-7.

9. Tsy be fanakianana ny lehilahy kristianina maro, fa inona kosa no nianarany?

9 Tsy afaka hiova vetivety ny olona, nefa tena mahomby ny torohevitry ny Baiboly rehefa maharitra sy maneho fikirizana ilay mampihatra azy. Maro ny lehilahy nahita fa nihatsara ny fanambadiany rehefa nanjary takany ny fomba nitondran’i Kristy ny fiangonana. Tsy olona lavorary akory no tao amin’io fiangonana io. Tian’i Jesosy anefa izy io, ary nanome ohatra ho azy io sy nampiasa ny Soratra Masina mba hanampiana azy io hihatsara izy. Nanome ny ainy ho an’ilay fiangonana i Jesosy. (1 Petera 2:21) Nampirisika lehilahy maro hitarika tsara sy hanampy amim-pitiavana ny ankohonany hihatsara io ohatra nomeny io. Ahitam-bokatra kokoa noho ny fanakianana be sy ny tsy fetezana hiresaka izany.

10. a) Nahoana no mbola mety hanasarotra ny fiainan’ny mpianakaviny ny lehilahy na ny vehivavy manambady, na dia ireo milaza ho Kristianina aza? b) Inona no azo atao hanatsarana izany?

10 Ahoana raha tsy mihevitra tsara ny zavatra ara-pihetseham-po ilain’ny fianakaviany, na tsy mandray fepetra hanaovana fianaram-pianakaviana na zavatra hafa ilay lehilahy? Ahoana koa raha tsy miara-miasa na mankatò araka ny didin’Andriamanitra ilay vehivavy? Misy mahita vokatra, rehefa niresaka ilay zava-manahirana tamim-panajana tamin’ny fianakaviany. (Genesisy 21:10-12; Ohabolana 15:22) Mety tsy ho araka ny nantenaina ny vokatra azo, kanefa afaka manatsara ny rivo-piainana ao an-tokantrano isika tsirairay, raha mampiseho ny vokatry ny fanahin’Andriamanitra eo amin’ny fiainantsika, ka maneho fiheverana amim-pitiavana ny mpianakavy hafa. (Galatiana 5:22, 23) Tsy hisy fihatsarana raha ilaozana mifampiandry eo fotsiny, fa ilaina kosa ny manao ny anjarantsika. Hasehontsika amin’izany fa maneho toe-panahy araka an’Andriamanitra isika.—Kolosiana 3:18-21.

Aiza ny vahaolana?

11, 12. Inona no nomen’i Jehovah antsika mba hampahomby ny fiainam-pianakaviantsika?

11 Mitodika amin-javatra maro ny olona mba hakana torohevitra momba ny fianakaviana. Fantatsika anefa fa ny Tenin’Andriamanitra no mirakitra torohevitra tsara indrindra, ary velom-pankasitrahana isika fa ampian’i Jehovah amin’ny alalan’ny fandaminany, mba hampihatra azy io. Mandray soa feno avy amin’izany fanampiana izany ve ianao?—Salamo 119:129, 130; Mika 4:2.

12 Manokana fotoana anaovana fianaram-pianakaviana tsy tapaka ve ianao, ankoatra ny fanatrehana ireo fivorian’ny fiangonana? Afaka miezaka ny ho tafaray amin’ny fivavahany ny fianakaviana manao izany. Mihatsara ny fiainam-pianakavian’izy ireo, rehefa mampihatra ny Tenin’Andriamanitra eo amin’ny fiainany izy ireo.—Deoteronomia 11:18-21.

13. a) Aiza isika matetika no hahazo fanampiana, raha manana fanontaniana momba ny fianakaviana? b) Inona no tokony ho hita taratra amin’ny fanapahan-kevitra rehetra raisintsika?

13 Mety hanana fanontaniana momba ny fianakaviana ianao. Ahoana, ohatra, ny amin’ny fanabeazana aizana? Azo atao ve indraindray ny manala zaza? Hatraiza no azo itakiana ny zanaka hanaraka ny fivavahan’ny fianakaviana, raha tsy dia liana amin’ny zavatra ara-panahy izy? Efa noresahina tao amin’ny boky navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah ny maro tamin’ny fanontaniana toy ireo. Mianara mampiasa boky fianarana Baiboly, toy ny Fanondroana Bokin’ny Vavolombelon’i Jehovah, mba hahitana ny valin’izy ireo. Jereo ny tahirim-boky ao amin’ny Efitrano Fanjakana, raha tsy anananao ilay boky tondroin’ilay fanondroana. Mety ho afaka hijery azy ireny amin’ny ordinateranao koa angamba ianao. Afaka miresaka ilay zavatra amin’ny Kristianina matotra koa ianao. Aza manantena valiny hentitra be amin’ny fanontaniana rehetra anefa. Matetika no tsy maintsy hanapa-kevitra ianao, na ianao irery izany, na ianareo mivady. Mandraisa fanapahan-kevitra mampiseho fa maneho toe-panahy araka an’Andriamanitra ianao, na eny ivelany izany, na ao an-tranonao.—Romana 14:19; Efesiana 5:10.

Famerenana

• Inona no ifandraisan’ny tsy fivadihana amin’i Jehovah sy ny tsy fivadihana amin’ny vady?

• Inona no hanampy antsika hanao zavatra mampifaly an’Andriamanitra, rehefa misy olana ara-pianakaviana?

• Ahoana no azontsika anatsarana ny tarehin-javatra, na dia misy mpianakavy manao fahadisoana aza?

[Fanontaniana]

[Sary, pejy 155]

Tokony hampiseho taratry ny toetran’i Jesosy ny fitondran’ny lehilahy ny fianakaviany

[Sary, pejy 157]

Mampiray saina ny mpianakavy ny fianaram-pianakaviana tsy tapaka