Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Fahafahan’ireo Mpivavaka Amin’i Jehovah

Fahafahan’ireo Mpivavaka Amin’i Jehovah

Toko Fahadimy

Fahafahan’ireo Mpivavaka Amin’i Jehovah

1, 2. a) Inona no karazam-pahafahana nomen’Andriamanitra an’i Adama sy i Eva? b) Lazao ny sasany amin’ireo lalàna nibaiko ny zavatra nataon’izy ireo.

 NANANA fahafahana mihoatra lavitra noho ny an’ny olona ankehitriny ny lehilahy sy vehivavy voalohany noforonin’i Jehovah. Paradisa ny Zaridaina kanton’i Edena nonenan’izy ireo. Tsy narary izy ireo, satria lavorary ny sainy sy ny vatany. Tsy notandindomin’ny fahafatesana mpahazo ny olona taorian’izany izy ireo. Olona nanan-tsaina sy nanana safidy malalaka koa izy ireo, ary afaka nandray fanapahan-kevitra. Tsy maintsy nankatò ny lalàn’Andriamanitra anefa izy ireo, raha tiany ny hanana hatrany izany fahafahana mahatalanjona izany.

2 Jereo, ohatra, ny lalàn’ny zavaboary napetrak’Andriamanitra. Mazava ho azy fa tsy lalàna voasoratra akory izany, nefa tokony handeha ho azy ho an’i Adama sy i Eva ny nankatò azy ireny. Tokony hihinana izy ireo rehefa noana, hisotro rehefa nangetaheta, ary hatory rehefa nody ny masoandro. Nomen’i Jehovah asa koa izy ireo. Lalàna izany, raha ny tena izy, satria hibaiko ny zavatra hataon’izy ireo. Tokony hiteraka izy ireo, ary hifehy ny zava-miaina maro sy hanitatra ny haben’ny Paradisa mba ho lasa paradisa ny tany manontolo. (Genesisy 1:28; 2:15) Lalàna nahafinaritra sy nahasoa tokoa izany! Nanana asa tena nahafa-po izy ireo, noho izany, ka afaka nampiasa ny fahaizany tamin’ny fomba feno sy nahasoa. Nalalaka tanteraka koa izy ireo nifidy ny fomba hanatanterahany ny asa nasaina nataony. Inona intsony no mbola nahory azy ireo?

3. Ahoana no azon’i Adama sy i Eva nianarana nampiasa tamim-pahendrena ny fahafahany hanapa-kevitra?

3 Na dia nomena tombontsoa handray fanapahan-kevitra aza anefa i Adama sy i Eva, dia tsy azo antoka ny hoe hisy vokany tsara foana ny fanapahan-kevitra rehetra raisiny. Voafetran’ny lalàna sy fitsipik’Andriamanitra ny fahafahan’izy ireo hanapa-kevitra. Ahoana no ahafantaran’izy ireo azy ireny? Rehefa mihaino ny Mpanao azy sy mandinika ny asany, izy ireo. Nomen’i Jehovah fahaizana hampihatra izay nianarany i Adama sy i Eva. Lavorary izy ireo, ka tokony handeha ho azy ny hoe hanome taratry ny toetran’Andriamanitra ny fanapahan-keviny. Tokony hitandrina mba hanao izany izy ireo, raha tena nankasitraka izay nataon’Andriamanitra ho azy, sady naniry ny hampifaly azy.—Genesisy 1:26, 27; Jaona 8:29.

4. a) Tsy nanana fahafahana intsony ve i Adama sy i Eva, satria nodidiana tsy hihinana ny voan’ny hazo iray? b) Nahoana no ara-drariny io didy io?

4 Rariny àry raha nitsapa ny fifikiran’izy ireo taminy sy ny fahavononan’izy ireo tsy hihoatra ny fetra napetrany Andriamanitra, ilay Mpanome aina. Nandidy an’i Adama toy izao i Jehovah: “Ny hazo rehetra eo amin’ny saha dia azonao ihinanana ihany; fa ny hazo fahalalana ny tsara sy ny ratsy dia aza ihinanana; fa amin’ny andro izay ihinananao azy dia ho faty tokoa hianao.” (Genesisy 2:16, 17) Nampahafantarina an’i Eva koa io lalàna io, rehefa noforonina izy. (Genesisy 3:2, 3) Tsy nanana fahafahana intsony ve izy ireo noho io fetra io? Tsy izany mihitsy. Nisy sakafo natsiro isan-karazany azony nohanina, ankoatra an’io hazo io. (Genesisy 2:8, 9) Rariny tsotra izao raha nanaiky izy ireo fa an’Andriamanitra ny tany, satria izy no namorona azy io. Manan-jo hanao lalàna mampety ny fikasany sy mba hahasoa ny olombelona àry izy.—Salamo 24:1, 10.

5. a) Nahoana no nafoin’i Adama sy i Eva ny fahafahana be voninahitra nananany? b) Inona no nisolo ny fahafahan’izy ireo, ary inona no vokatr’izany teo amintsika?

5 Inona anefa no niseho? Nampiasa tamin’ny fomba ratsy ny safidy malalaka ny anjely iray miavonavona sy tia tena, ka nanjary Satana, midika hoe “Mpanohitra.” Namitaka an’i Eva izy rehefa nampanantena azy zavatra tsy araka ny sitrapon’Andriamanitra. (Genesisy 3:4, 5) Nanaraka an’i Eva nandika ny lalàn’Andriamanitra koa i Adama. Narian’izy ireo ilay fahafahana be voninahitra, noho izy ireo naka izay tsy azy. Nanjary tompon’izy ireo ny ota, ary nanaraka koa ny fahafatesana, araka ny efa nampitandreman’Andriamanitra azy. Ny fahotana hita amin’ny fironana hanao ratsy, no lova navelan’izy ireo ho an’ny taranany. Nitondra fahalemena miteraka aretina sy fahanterana ary fahafatesana koa ny ota. Noho io fironana hanao ratsy io sy ny fitaoman’i Satana, dia nanjary nisy ny fiaraha-monina feno fankahalana, heloka bevava sy famoretana ary ady, izay namono olona an-tapitrisa. Mifanohitra tanteraka amin’ny fahafahana nomen’Andriamanitra ny olombelona tamin’ny voalohany izany!—Deoteronomia 32:4, 5; Joba 14:1, 2; Romana 5:12; Apokalypsy 12:9.

Aiza no ahitana fahafahana?

6. a) Aiza no ahitana ny tena fahafahana? b) Inona ilay fahafahana noresahin’i Jesosy?

6 Tsy mahagaga raha maniry fahafahana bebe kokoa ny olona, rehefa jerena ny toe-javatra ratsy manjaka maneran-tany. Aiza anefa no ahitana ny tena fahafahana? Hoy i Jesosy: “Raha maharitra amin’ny teniko hianareo, dia ho mpianatro tokoa; ka ho fantatrareo ny marina, ary ny marina hahafaka anareo tsy ho andevo.” (Jaona 8:31, 32) Tsy ilay fahafahana antenain’ny olona manongana mpitondra na fitondrana iray mba hosoloana iray hafa akory izy io. Mahakasika ny fototry ny zava-manahirana ny olombelona kosa izy io. Fahafahana amin’ny fanandevozan’ny ota no noresahin’i Jesosy. (Jaona 8:24, 34-36) Raha tonga tena mpianatr’i Jesosy Kristy àry ny olona iray, dia hahita fiovana lehibe eo amin’ny fiainany, hahita fanafahana!

7. a) Ahoana no mahafaka antsika amin’ny ota dieny izao? b) Inona no tsy maintsy ataontsika mba hahazoana io fahafahana io?

7 Tsy midika akory izany hoe tsy mahatsapa intsony ny vokatry ny fironana hanota nolovany ny Kristianina marina. Nandova ota izy ireo, ka mbola miady amin’izy io hatrany. (Romana 7:21-25) Tsy ho andevon’ny ota intsony anefa ny olona iray, raha tena miaina mifanaraka amin’ny fampianaran’i Jesosy. Tsy ho mpifehy mandidy azy ka tsy maintsy arahiny an-jambany intsony ny ota. Tsy ho voagejan’ny fiainana tsy misy zava-kendrena izy ary tsy henjehin’ny eritreriny intsony. Hadio kosa ny eritreriny eo anatrehan’Andriamanitra, satria navela ny fahotany taloha, noho izy mino ny soron’i Kristy. Mety hipoitra ihany ny fironana hanota, nefa hasehony fa tsy manapaka azy intsony ny ota, rehefa laviny izany, satria tsaroany ny fampianarana madion’i Kristy.—Romana 6:12-17.

8. a) Inona no fahafahana omen’ny Kristianisma marina antsika? b) Ahoana no tokony ho fihetsitsika manoloana ny mpitondra fanjakana?

8 Diniho ireo fahafahana ananantsika Kristianina. Nafahana tamin’ny vokatry ny fampianaran-diso sy ny fatotry ny finoanoam-poana ary ny fanandevozan’ny ota, isika. Nafahana tamin’ny tahotra tsy marim-pototra ny maty koa isika, noho ny fahamarinana momba ny toetran’ny maty sy ny fananganana amin’ny maty. Nanafaka antsika tamin’ny tsy fananana fanantenana ny fahafantarana fa tsy ho ela dia ny Fanjakana marin’Andriamanitra no hasolo ny fitondram-panjakan’olombelona tsy lavorary. (Daniela 2:44; Matio 6:10) Tsy milaza anefa izany fahafahana izany hoe tsy tokony hanaja ny manam-pahefana sy ny lalàna isika.—Titosy 3:1, 2; 1 Petera 2:16, 17.

9. a) Ahoana no anampian’i Jehovah antsika amim-pitiavana mba hankafy fahafahana lehibe indrindra araka izay mety ho azon’ny olombelona? b) Ahoana no anaovantsika fanapahan-kevitra tsara, tsy toy ny nataon’i Adama?

9 Tsy nataon’i Jehovah hitsapatsapa mba hahitana ny fomba fiaina tsara indrindra, isika. Fantany ny namoronana antsika sy izay tena mahafaly antsika ary ny zavatra mahasoa antsika mandrakizay. Fantany ny eritreritra sy fitondran-tena mety hanimba ny fifandraisan’ny olona iray aminy sy amin’ny samy olombelona, ka angamba tsy hamela an’io olona io ho ao amin’ny tontolo vaovao. Tia antsika i Jehovah, ka mampahafantatra antsika izany rehetra izany amin’ny alalan’ny Baiboly sy ny fandaminany hita maso. (Marka 13:10; Galatiana 5:19-23; 1 Timoty 1:12, 13) Anjarantsika amin’izay ny mampiasa ny safidy malalaka nomen’Andriamanitra antsika mba hanaovan-javatra araka izany. Tsy hanao toa an’i Adama isika, fa hanao fanapahan-kevitra tsara, raha mandray am-po izay lazain’ny Baiboly amintsika. Hasehontsika fa ny fifandraisana tsara amin’i Jehovah no zava-dehibe indrindra amintsika eo amin’ny fiainana.

Misy maniry karazam-pahafahana hafa

10. Inona no fahafahana irin’ny Vavolombelon’i Jehovah sasany ho azo?

10 Misy Vavolombelon’i Jehovah tanora, sy olon-dehibe koa indraindray, mety haniry karazam-pahafahana hafa. Mety ho toa mahafinaritra izao tontolo izao, ka arakaraka ny ieritreretan’izy ireo momba izany no mampitombo ny faniriana hanao zavatra fanaon’izao tontolo izao tsy mety amin’ny Kristianina. Mety tsy hieritreritra ny hidoroka zava-mahadomelina, na hisotro tafahoatra, na hijangajanga, ny olona toy izany. Manomboka mifanerasera amin’ny tsy Kristianina anefa izy ireo, ary maniry ny ho tian’ireny. Mety hanomboka hanahaka ny fiteniny sy ny fitondran-tenany mihitsy aza, izy ireny.—3 Jaona 11.

11. Avy aiza indraindray no iavian’ilay fitaomana hanao ratsy?

11 Avy amin’olona milaza ho manompo an’i Jehovah, indraindray, ilay fitaomana hanana fitondran-tena tsy mety amin’ny Kristianina. Nitranga tamin’ny Kristianina sasany fahiny izany, ary mety hitranga amintsika koa. Matetika ny olona toy izany no ta hanao zavatra heveriny fa hitondra fahafinaretana, kanefa mifanohitra amin’ny lalàn’Andriamanitra. Mampirisika ny hafa mba ‘hifalifaly’ izy ireo. ‘Fahafahana no ampanantenain’ireny, kanjo ny tenany aza dia andevon’ny fahalotoana.’—2 Petera 2:19.

12. Inona avy no voka-dratsin’ny fitondran-tena tsy mifanaraka amin’ny lalàna sy fitsipik’Andriamanitra?

12 Ratsy foana ny vokatr’ireny fahafahana sandoka ireny, satria midika ho fandikana ny lalàn’Andriamanitra. Ny firaisana tsy ara-dalàna, ohatra, dia mety hampikorontana ny fihetseham-po, hankarary, hahafaty, hananana anaka tsy nirina, ary mety haharava fanambadiana. (1 Korintiana 6:18; 1 Tesaloniana 4:3-8) Ny mpidoroka zava-mahadomelina koa dia mety ho mora tezitra, hiteny ratsy, tsy hahita tsara, ho fanimpanina, ho mora sempotra, hahita zavatra tsy misy, ary ho faty. Mety hahatonga azy ho andevozin’izy io izany, ka mety hitarika azy hanao heloka bevava mba hanomezana fahafaham-po ny filany. Toy izany koa no manjo ny mpiboboka toaka. (Ohabolana 23:29-35) Mety hihevitra ny tenany ho olona afaka ny olona mitondra tena toy izany, kanefa ho tara loatra vao ho hitany fa andevon’ny ota izy. Tompo lozabe tokoa ny ota! Manampy antsika tsy ho voan’izany ny fisaintsainana momba ilay raharaha dieny izao!—Galatiana 6:7, 8.

Ahoana no anombohan’ny zava-manahirana?

13. a) Inona matetika no manaitra ny filana miteraka zava-manahirana? b) Ny fihevitr’iza no ilaintsika, mba hahatakarana ny atao hoe “fikambanana amin’ny ratsy”? d) Antitrantero ny fihevitr’i Jehovah, eo am-pamalianao an’ireo fanontaniana eo amin’ny fehintsoratra 13.

13 Diniho ny fomba anombohan’ny zava-manahirana matetika. Hoy ny Baiboly: “Samy alaim-panahy ny olona, raha tarihin’ny filany sy fitahiny izy. Ary ny filana, rehefa torontoronina, dia miteraka ota; ary ny ota, rehefa tanteraka, dia miteraka fahafatesana.” (Jakoba 1:14, 15) Inona no manaitra ny filana? Izay miditra ao an-tsaina. Vokatry ny fifaneraserana amin’olona tsy mampihatra ny fitsipiky ny Baiboly izany, matetika. Fantatsika rehetra tokoa fa tokony hanalavitra ny “fikambanana amin’ny ratsy” isika. (1 Korintiana 15:33) Inona anefa no fikambanana amin’ny ratsy? Ahoana no fijerin’i Jehovah an’ilay raharaha? Hanampy antsika hanao fanatsoahan-kevitra mety ny fieritreretana an’ireto fanontaniana manaraka ireto sy ny fijerena ireo andinin-teny voatonona.

Tsara ve ny mifanerasera amin’ny olona iray toa mendri-kaja? (Genesisy 34:1, 2, 18, 19)

Mampiseho ve ny resaka, toy ny vazivazy ataony angamba, fa afaka mifanerasera be aminy isika? (Efesiana 5:3, 4)

Inona no tsapan’i Jehovah raha mifanerasera be amin’ny olona tsy tia azy isika? (2 Tantara 19:1, 2)

Nahoana isika no tsy maintsy mitandrina, na dia mety hiara-miasa na hiara-mianatra amin’olona tsy mitovy finoana amintsika aza? (1 Petera 4:3, 4)

Fomba ifaneraserana amin’ny hafa ny fijerena televiziona sy sarimihetsika, ny fampiasana ny Internet sy ny famakiana boky sy gazety. Inona no karazan-javatra avy amin’ireny mila itandremantsika tena? (Ohabolana 3:31; Isaia 8:19; Efesiana 4:17-19)

Ahoana no fijerin’i Jehovah antsika, rehefa jereny ny olona ifaneraserantsika? (Salamo 26:1, 4, 5; 97:10)

14. Inona no fahafahana lehibe miandry an’ireo tena mampihatra ny torohevitry ny Tenin’Andriamanitra ankehitriny?

14 Efa miandry antsika ny tontolo vaovaon’Andriamanitra. Hafahana amin’ny fitaoman’i Satana sy ny tontolo ratsiny manontolo ny olombelona, noho ny asan’io Fanjakan’Andriamanitra any an-danitra io. Hesorina tsikelikely amin’ny olombelona mankatò ny vokatry ny fahotana, ka ho lavorary ny sainy sy ny vatany, ary ho afaka hankafy fiainana mandrakizay ao amin’ny Paradisa, izy ireo. Hankafy an’ilay fahafahana mifanaraka tanteraka amin’ny “Fanahin’ny Tompo”, amin’ny farany, ny voary manontolo. (2 Korintiana 3:17) Ho fahendrena ve ny hanariana izany noho ny fandavana ny torohevitry ny Tenin’Andriamanitra ankehitriny? Rehefa mampiasa amim-pahendrena ny fahafahana kristianina ananantsika isika, dia enga anie hampiseho mazava fa tena maniry ny “fahafahana izay momba ny voninahitr’ireo zanak’Andriamanitra.”—Romana 8:21.

Famerenana

• Inona no karazam-pahafahana nananan’i Adama sy i Eva? Manao ahoana izany, raha oharina amin’ny fiainan’ny olombelona ankehitriny?

• Inona no fahafahana ananan’ny Kristianina marina? Inona no maha samy hafa an’izany amin’izay heverin’izao tontolo izao ho fahafahana?

• Nahoana no tena zava-dehibe ny hanalavirana ny fikambanana amin’ny ratsy? Fanapahan-kevitr’iza momba ny ratsy no ekentsika?

[Fanontaniana]

[Sary, pejy 46]

Mampitandrina toy izao ny Tenin’Andriamanitra: “Aza mety hofitahina hianareo; ny fikambanana amin’ny ratsy manimba ny fitondrantena tsara”