Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Fanjakana “Tsy ho Rava Mandrakizay”

Fanjakana “Tsy ho Rava Mandrakizay”

Toko Fahafolo

Fanjakana “Tsy ho Rava Mandrakizay”

1. Inona no miharihary, rehefa dinihina ny zava-mitranga eran-tany hatramin’izay?

 ASEHON’NY zava-mitranga eran-tany isan’andro fa tsy sambatra ny olona rehefa nanda ny fitondran’i Jehovah ka nanandrana nifampitondra. Tsy nisy fomba fitondran’olombelona nandraisan’ny olona soa mitovy. Tsy resin’ny olona mihitsy ny aretina sy ny fahafatesana, na dia nandroso be aza ny siansa. Tsy nahafoana ny ady, herisetra, heloka bevava, tsolotra, ary fahantrana, ny fitondran’olombelona. Mbola mifehy ny olona any amin’ny tany maro foana ny fitondrana mampahory. (Mpitoriteny 8:9) Mitambatra mba hanimba ny tany ny fandrosoana sy ny fitiavam-bola ary ny tsy fahaizana. Manjary sarotra ho an’ny maro ny mahazo ny zavatra ilainy eo amin’ny fiainana, satria tsy mahay mitantana ny toe-karena ny mpitondra. Niharihary nandritra ireo an’arivony taona maro nitondran’ny olombelona fa “tsy an’ny olombelona ny làlan-kalehany, na an’ny mpandeha ny hahalavorary ny diany.”—Jeremia 10:23.

2. Inona no hany vahaolana amin’ny zava-manahirana ny olombelona?

2 Inona no vahaolana? Ny Fanjakan’Andriamanitra nampianarin’i Jesosy ny mpianany hivavahana toy izao: “Ho tonga anie ny fanjakanao. Hatao anie ny sitraponao etỳ an-tany tahaka ny any an-danitra.” (Matio 6:9, 10) Lazalazain’ny 2 Petera 3:13 hoe “lanitra vaovao” ny Fanjakan’Andriamanitra any an-danitra izay hitondra ny olo-marina miara-miaina, na “tany vaovao.” Zava-dehibe aoka izany io Fanjakana io, hany ka io no tena notorin’i Jesosy. (Matio 4:17) Nasehony antsika ny tokony ho toeran’izy io eo amin’ny fiainantsika, rehefa nampirisika izy hoe: “Katsaho aloha ny fanjakany sy ny fahamarinany, dia hanampy ho anareo izany rehetra izany.”—Matio 6:33.

3. Nahoana no tsy maintsy ianarana haingana ny momba ny Fanjakan’Andriamanitra?

3 Tsy maintsy ianarana haingana ny momba an’io Fanjakan’Andriamanitra io, satria tsy ho ela izy io dia hanao zavatra hanovana mandrakizay ny fitondrana ny tany. Hoy ny Daniela 2:44: “Amin’ny andron’ireo mpanjaka [mpitondra ankehitriny] ireo Andriamanitry ny lanitra dia hanorina fanjakana [any an-danitra] izay tsy ho rava mandrakizay; ary izany fanjakana izany tsy havela ho an’olon-kafa [tsy hitondra ny tany intsony mihitsy ny olona], fa ireo fanjakana rehetra [ankehitriny] ireo dia hotorotoroiny sy holevoniny, fa izy kosa hitoetra mandrakizay.” Hamarana izao andro farany izao àry io Fanjakana io, ka handringana ny tontolo ratsy manontolo. Ilay Fanjakana any an-danitra ihany amin’izay no hitondra. Tokony ho velom-pankasitrahana tokoa isika satria efa akaiky dia akaiky izany fanamaivanana izany!

4. Inona no nitranga tany an-danitra tamin’ny 1914, mifandray amin’ilay Fanjakana? Nahoana izany no zava-dehibe ho antsika?

4 Lasa Mpanjaka i Kristy Jesosy tamin’ny 1914, ka nomen-dalana ‘hanapaka eo amin’ny fahavalony.’ (Salamo 110:1, 2) Nanomboka tamin’io taona io koa ny andro ‘farany’ ho an’ity tontolo ratsy ity. (2 Timoty 3:1-5, 13) Nitranga tany an-danitra nandritra izany koa ireo fisehoan-javatra hitan’i Daniela tao amin’ny fahitana ara-paminaniana. Nanome “fanapahana sy voninahitra ary fanjakana” an’i Jesosy Kristy i Jehovah Andriamanitra, na ilay “Fahagola”, mba “hanompoan’ny fokom-pirenena sy ny firenena ary ny samy hafa fiteny rehetra Azy.” Izao no nolazain’i Daniela momba ilay fahitany: “Ny fanapahany dia fanapahana mandrakizay ka tsy ho tapaka, ary ny fanjakany tsy ho rava.” (Daniela 7:13, 14) Hanjary hankafy zavatra tsara maro noeritreretin’Andriamanitra hatao ho an’i Adama sy i Eva tao amin’ny paradisa ireo tia ny fahamarinana, noho ny asan’io Fanjakana any an-danitra tarihin’i Kristy Jesosy io.

5. Inona avy ireo tsipiriany momba ilay Fanjakana tena mahaliana antsika, ary nahoana?

5 Te ho anisan’ireo olona tsy mivadika hoentin’io Fanjakana any an-danitra io ve ianao? Raha izany no izy, dia ho liana mafy amin’ny rafitra sy ny fomba fiasan’izy io ianao. Ho tianao hofantarina izay efa ataon’izy io sy mbola hataony ary ny zavatra takiny aminao. Tokony hitombo ny fankasitrahanao an’ilay Fanjakana, rehefa mandinika azy io bebe kokoa ianao. Raha manaiky ny fitondran’izy io ianao, dia ho tsara toerana kokoa hiresaka amin’ny hafa momba ireo zava-mahatalanjona hataon’ny Fanjakan’Andriamanitra ho an’ny olombelona mankatò.—Salamo 48:12, 13.

Mpanjakan’ny Fanjakan’Andriamanitra

6. a) Iza no asehon’ny Soratra Masina ho tena mpitondra amin’ny alalan’ny Fanjakan’ny Mesia? b) Inona no tokony ho akon’izay ianarantsika momba ilay Fanjakana eo amintsika?

6 Hita voalohany indrindra avy amin’ny fandinihana an’io Fanjakan’ny Mesia io fa i Jehovah no mpitondra. Izy no nanome “fanapahana sy voninahitra ary fanjakana” ho an’ny Zanany. Nety indrindra izao fanambaran’ny feo avy tany an-danitra izao, rehefa nomena fahefana ho Mpanjaka ilay Zanak’Andriamanitra: “Ny fanjakana amin’izao tontolo izao dia efa lasan’ny Tompontsika [Jehovah Andriamanitra] sy ny Kristiny; ary Izy [Jehovah] no hanjaka mandrakizay mandrakizay.” (Apokalypsy 11:15) Mety hahatonga antsika ho akaiky kokoa an’i Jehovah àry ny zava-drehetra dinihintsika momba an’io Fanjakana io. Tokony hahatonga antsika haniry hanaiky ny fitondrany mandrakizay ny zavatra ianarantsika.

7. Nahoana no tena mahaliana antsika ny hoe Mpanjaka Lefitr’i Jehovah i Jesosy Kristy?

7 Diniho koa ilay hoe napetrak’i Jehovah ho Mpanjaka Lefiny i Jesosy Kristy. Mahafantatra tsara kokoa ny zavatra ilaintsika noho isika rehetra i Jesosy, satria Mpiasa Kinga, na Mpità-marika, nampiasain’Andriamanitra tamin’ny famoronana ny tany sy ny olombelona. Efa hatramin’izay nisian’ny olombelona koa izy no ‘niravoravo tamin’ny zanak’olombelona.’ (Ohabolana 8:30, 31; Kolosiana 1:15-17) Tena tiany ny olombelona, hany ka tonga tetỳ an-tany mihitsy izy nanolotra ny ainy ho sorona ho antsika. (Jaona 3:16) Izy àry no nahatonga antsika ho afaka amin’ny ota sy ny fahafatesana, sy ho afaka hiaina mandrakizay.—Matio 20:28.

8. a) Nahoana ny fitondran’Andriamanitra no haharitra, fa tsy ho toy ny an’olombelona? b) Inona no ifandraisan’ny “mpanompo mahatoky sy manan-tsaina” sy ilay fanjakana any an-danitra?

8 Fitondrana miorina tsara sy maharitra ny Fanjakan’Andriamanitra. Azo antoka haharitra izy io satria tsy ho faty mandrakizay i Jehovah. (Habakoka 1:12) Tsy mety maty koa i Jesosy Kristy, ilay notendren’Andriamanitra ho mpanjaka, fa tsy toy ny mpanjaka olombelona. (Romana 6:9; 1 Timoty 6:15, 16) Hisy olona 144 000 hafa hiara-manjaka amin’i Kristy any an-danitra. Mpanompon’Andriamanitra mahatoky ireo, ary “avy tamin’ny fokom-pirenena rehetra sy ny samy hafa fiteny sy ny olona ary ny firenena rehetra.” Tsy ho faty mandrakizay koa izy ireo. (Apokalypsy 5:9, 10; 14:1-4; 1 Korintiana 15:42-44, 53) Efa any an-danitra ny ankamaroan’izy ireo. Ny sisa mbola eto an-tany kosa no antsoina hoe “mpanompo mahatoky sy manan-tsaina”, izay tsy mivadika fa mampandroso ny tombontsoan’ilay Fanjakana eto an-tany.—Matio 24:45-47.

9, 10. a) Inona no hery mitaona mampisara-bazana sy manimba hofoanan’ilay Fanjakana? b) Inona no fandrika tokony hohalavirintsika, raha tsy te ho lasa fahavalon’Andriamanitra isika?

9 Tsy ho ela, amin’ny fotoana voatondrony, dia handefa ny tafiny mba hanadio ny tany i Jehovah. Horinganin’izy ireo tsy hisy mandrakizay ny olona mifidy ny handa ny fitondran’i Jehovah, sy manao tsinontsinona ny fandaharana feno fitiavana ataony amin’ny alalan’i Jesosy Kristy. (2 Tesaloniana 1:6-9) Andron’i Jehovah izany, dia ilay fotoana nandrasana ela mba hanamarinany fa izy no Tompon’izao Rehetra Izao. “Indro, avy ny andron’i Jehovah, dia loza sy fahavinirana ary firehetan’ny fahatezerana . . . handringanana ny mpanota tsy ho ao [amin’ny tany].” (Isaia 13:9) “Andro fahatezerana izany andro izany, andro fahoriana sy fahalahelovana, andro fandravana sy fanafoanana, andro maizina sy manjombona, andro mandrahona sy maizim-pito.”—Zefania 1:15.

10 Horinganina tsy hisy mandrakizay ny fivavahan-diso sy ny fitondran’olombelona rehetra sy ny tafiny, izay fitaovana nampiasain’ilay mpitondra an’izao tontolo izao ratsy fanahy tsy hita maso. Horinganina koa izay rehetra miaraka amin’izao tontolo izao, dia ireo tia tena sy manao ny tsy marina ary maloto fitondran-tena. Hesorina tsy ho afaka hifandray amin’ny olombelona i Satana sy ny demoniany, ka hogadraina tsara mandritra ny arivo taona. Ny Fanjakan’Andriamanitra amin’izay no hifehy tanteraka ny tany. Tena ho fanamaivanana ho an’ireo tia ny fahamarinana tokoa izany!—Apokalypsy 18:21, 24; 19:11-16, 19-21; 20:1, 2.

Fomba hanatanterahana ny zava-kendren’ilay Fanjakana

11. a) Inona no hataon’ny Fanjakan’ny Mesia ho fanatanterahana ny zavatra noeritreretin’i Jehovah momba ny tany? b) Hanao ahoana ny fiainan’ny olona rehefa hanapaka ilay Fanjakana?

11 Hanatanteraka ny zavatra efa noeritreretin’Andriamanitra momba ny tany ny Fanjakan’ny Mesia. (Genesisy 1:28; 2:8, 9, 15) Tsy nanampy tamin’ny fanatontosana izany mihitsy ny olombelona hatramin’izao. Hanaiky an’i Jesosy Kristy, ilay Zanak’olona, kosa anefa ireo hiaina amin’ilay “fiainana ho avy.” Hiara-miasa akaiky eo ambanin’ny fitarihan’i Kristy Mpanjaka ireo tafavoaka velona amin’ny fandringanan’i Jehovah an’ity tontolo tranainy ity, ary ho faly hanao izay rehetra lazainy, mba hanovana ny tany manontolo ho paradisa. (Hebreo 2:5-9) Hifaly amin’ny asan’ny tanany ny olona rehetra, ary handray soa feno avy amin’ireo vokatra tondraka eto an-tany.—Salamo 72:1, 7, 8, 16-19; Isaia 65:21, 22.

12. Inona no hatao mba hahatonga ny vahoakan’ilay Fanjakana hanana saina sy vatana lavorary?

12 Lavorary i Adama sy i Eva rehefa noforonina. Noeritreretin’i Jehovah hameno ny tany ny taranak’izy ireo, izay hanana saina sy vatana lavorary. Ho tanteraka amim-boninahitra izany, rehefa hanapaka ilay Fanjakana. Tsy maintsy esorina àry ny vokatry ny fahotana, ka izany no mahatonga an’i Kristy ho sady Mpanjaka no Mpisoronabe. Haharitra izy hanampy ny vahoakany mankatò mba handray soa avy amin’ny sorom-panavotana nanomezany ny ain’olombelona nananany.

13. Inona avy ireo soa ara-batana horaisin’ny vahoakan’ilay Fanjakana?

13 Handray soa maro amin’ny lafiny ara-batana koa ny vahoakan’ilay Fanjakana. “Dia hampahiratina ny mason’ny jamba, ary hampahaladìna ny sofin’ny marenina. Dia hitsambikina tahaka ny diera ny mandringa, ary hihoby ny lelan’ny moana.” (Isaia 35:5, 6) Ho tsara kokoa noho ny hoditry ny zazakely ny hoditra efa simban’ny taona sy ny aretina, ary ho salama tsara ny olona fa tsy hanana aretina mitaiza. “Ho tsara noho ny an’ny tanora ny nofony, hody ho toy ny tamin’ny andro nahatanorany izy.” (Joba 33:25) Ho avy ilay andro tsy hilazan’ny olona intsony hoe: “Marary aho.” Nahoana? Satria tsy hizaka ny vesatry ny ota sy ny vokatra manimban’izy io intsony ny olona matahotra an’Andriamanitra. (Isaia 33:24; Lioka 13:11-13) Eny, “hofafany [Andriamanitra] ny ranomaso rehetra amin’ny masony; ary tsy hisy fahafatesana intsony, sady tsy hisy alahelo, na fitarainana, na fanaintainana; fa efa lasa ny zavatra taloha.”—Apokalypsy 21:4.

14. Hanao ahoana izany hoe olona lavorary izany?

14 Tsy ampy anefa ny manana vatana sy saina salama tsara, mba hilazana hoe lavorary ny olona. Ny hoe lavorary dia midika koa hoe mampiseho taratra tsara ny toetran’i Jehovah, satria noforonina ‘tahaka ny endrik’Andriamanitra’ isika. (Genesisy 1:26) Tena ilaina ny fampianarana mba hanatontosana izany. Tokony ‘hitoeran’ny fahamarinana’ ilay tontolo vaovao. Noho izany, dia efa nilaza i Isaia fa “mianatra fahamarinana ny mponina amin’izao tontolo izao.” (2 Petera 3:13; Isaia 26:9) Mampifandray tsara ny olona io toetra io, na olona samy hafa firazanana izany, na ny mpinamana, na ny mpianakavy, ary ambonin’ny zava-drehetra dia mampifandray tsara antsika amin’Andriamanitra mihitsy. (Salamo 85:10-13; Isaia 32:17) Hampianarina tsikelikely ny zavatra antenain’Andriamanitra aminy ireo mianatra fahamarinana. Hampiseho ny toetran’Andriamanitra amin’ny lafiny rehetra amin’ny fiainana izy ireo, rehefa manjary mamaka ao am-pony izany. Ho afaka hiteny toa an’i Jesosy toy izao, izy ireo: ‘Izaho manao izay sitraky ny Raiko mandrakariva.’ (Jaona 8:29) Hahafinaritra tokoa ny fiainana rehefa hanao izany ny olona rehetra!

Zava-bita efa miharihary

15. Ampiasao ireo fanontaniana amin’ity fehintsoratra ity mba hanasongadinana ireo zava-bitan’ilay Fanjakana sy hampisehoana ny zavatra tokony hataontsika.

15 Miharihary ny zava-bitan’ny Fanjakan’Andriamanitra sy ny vahoakany. Hampahatsiahy anao ny sasany amin’izany ireo fanontaniana sy andinin-teny etsy ambany. Hampahatsiahy anao ny zavatra tokony hataon’ny vahoakan’io Fanjakana io koa izany.

Iza no nasian’ilay Fanjakana voalohany, ary inona no vokany? (Apokalypsy 12:7-10, 12)

Iza ilay antokon’olona mbola angonina nanomboka tamin’ny nanjakan’i Kristy? (Apokalypsy 14:1-3)

Inona koa no asa efa nolazain’i Jesosy fa hataony aorian’ny fanombohan’ny fahoriana lehibe, araka ny Matio 25:31-33?

Inona ilay asa savaranonando atao ankehitriny? Iza no mandray anjara amin’izany? (Salamo 110:3; Matio 24:14; Apokalypsy 14:6, 7)

Nahoana no tsy afaka nampitsahatra ny asa fitoriana ny mpanao politika sy ny fivavahana manohitra? (Zakaria 4:6; Asan’ny Apostoly 5:38, 39)

Inona avy no fiovana nataon’ireo manaiky an’ilay Fanjakana? (Isaia 2:4; 1 Korintiana 6:9-11)

Fanjakana arivo taona

16. a) Hafiriana i Kristy no hanjaka? b) Inona avy no zava-mahatalanjona hatao mandritra an’io fotoana io sy aorian’izay?

16 Ho mpanjaka sy mpisorona mandritra ny arivo taona i Jesosy Kristy sy ireo 144 000 mpiara-mandova aminy, rehefa ao amin’ny lavaka tsy hita noanoa i Satana sy ny demoniany. (Apokalypsy 20:6) Haverina ho amin’ny fahalavorariana ny olombelona amin’izany fotoana izany, satria tsy ho eo intsony ny fahotana sy ny fahafatesana avy tamin’i Adama. Ho tanterak’i Jesosy ny asany amin’ny maha Mpisorona sy Mpanjaka ary Mesia azy, amin’ny faran’ny arivo taona. “Amin’izay dia hatolony ho an’Andriamanitra Ray ny fanjakana . . . mba tsy hisy fototra sy antony afa-tsy Andriamanitra ihany.” (1 Korintiana 15:24-28) Hafahana vetivety indray i Satana, mba hitsapa ny fanohanan’ny olombelona lavorary ny zon’i Jehovah hitondra. Horinganin’i Jehovah i Satana sy ny mpikomy miaraka aminy, rehefa vita io fitsapana farany io. (Apokalypsy 20:7-10) Ho efa nasehon’ireo manohana ny zon’i Jehovah hitondra fa tsy mivadika tanteraka aminy, izy ireo. Hanjary hanana fifandraisana araka ny tokony ho izy amin’i Jehovah izy ireo, aorian’izay, satria hekeny ho zanany ary hekeny ho mendrika hiaina mandrakizay.—Romana 8:21.

17. a) Inona no hitranga amin’ilay Fanjakana, amin’ny faran’ny arivo taona? b) Nahoana no mety ny milaza fa “tsy ho rava mandrakizay” ilay Fanjakana?

17 Hiova amin’izay ny anjara asan’i Jesosy sy ny an’ireo 144 000 mifandray amin’ny tany. Inona indray no hataon’izy ireo? Tsy milaza momba izany ny Baiboly. Raha manohana amim-pahatokiana ny zon’i Jehovah hitondra anefa isika, dia ho velona amin’ny faran’ny Fanjakana Arivo Taona, ka hahita ny zavatra noeritreretin’i Jehovah ho azy ireo sy ho an’izao rehetra izao mahatalanjona. Mbola ho fitondrana “mandrakizay” ihany anefa ilay Fanjakana arivo taonan’i Kristy, ary “tsy ho rava mandrakizay.” (Daniela 7:14) Nahoana? Satria tsy ho lasan’olon-kafa manan-java-kendrena hafa ny fitondrana, fa i Jehovah no ho Mpitondra. “Tsy ho rava mandrakizay” koa ilay Fanjakana, satria haharitra mandrakizay ny zava-bitany. (Daniela 2:44) Homem-boninahitra mandrakizay koa ilay Mesia Mpanjaka sady Mpisorona sy ireo mpanjaka sy mpisorona namany, satria nahatoky tamin’ny fanompoana an’i Jehovah.

Famerenana

• Nahoana no ny Fanjakan’Andriamanitra ihany no vahaolana amin’ny zava-manahirana ny olombelona? Oviana no nanomboka nanjaka ilay Mpanjakan’ny Fanjakan’Andriamanitra?

• Inona no tena tianao indrindra amin’ny Fanjakan’Andriamanitra sy ny zavatra hataony?

• Inona avy no efa zava-bitan’ilay Fanjakana, ary inona no anjarantsika tamin’izany?

[Fanontaniana]

[Sary, pejy 92, 93]

Hianatra fahamarinana ny olona rehetra, rehefa hanapaka ny Fanjakan’Andriamanitra