Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Henoy ny Torohevitra, Ekeo ny Fananarana

Henoy ny Torohevitra, Ekeo ny Fananarana

Toko Fahadimy Ambin’ny Folo

Henoy ny Torohevitra, Ekeo ny Fananarana

1. a) Nahoana isika rehetra no mila torohevitra sy fananarana? b) Inona no fanontaniana tokony hoeritreretintsika?

 MILAZA ny Jakoba 3:2 fa “tafintohina amin’ny zavatra maro isika rehetra.” Tsaroantsika angamba fa imbetsaka isika no tsy naneho ny toetra ampirisihan’ny Tenin’Andriamanitra mba hasehontsika. Ekentsika àry fa marina izao lazain’ny Baiboly izao: “Henoy ny saina atolotra, ary raiso [na ekeo] ny fananarana, mba ho hendry hianao amin’izay hiafaranao.” (Ohabolana 19:20) Efa nanova ny fiainantsika mba hifanaraka amin’ny fampianaran’ny Baiboly isika. Ahoana anefa no fihetsitsika rehefa misy Kristianina namantsika manoro hevitra antsika? 

2. Inona no tokony hataontsika rehefa toroana hevitra isika?

2 Misy manandrana manamarin-tena, na manamaivana an’ilay zava-manahirana, na manilika fahadisoana, rehefa omena torohevitra. Tsara kokoa anefa ny mihaino sy mampihatra torohevitra. (Hebreo 12:11) Mazava ho azy fa tsy misy tokony hanantena ny hafa ho lavorary, ary tsy misy tokony hanoro hevitra amin’ny zavatra madinika, na zavatra apetraky ny Baiboly ho safidin’ny tsirairay. Mety ho tsy nandinika ny zava-misy rehetra koa angamba ilay mpanoro hevitra, ka azo resahina aminy amim-panajana izany. Aoka anefa hataontsika hoe mety sy miorina amin’ny Baiboly ilay torohevitra na fananarana. Ahoana no tokony handraisana izany?

Ohatra ratsy

3, 4. a) Inona ao amin’ny Baiboly no manampy antsika handray ny torohevitra sy fananarana araka ny tokony ho izy? b) Ahoana no fihetsik’i Saoly Mpanjaka rehefa nomena torohevitra? Inona no vokany?

3 Misy fitantarana momba ny olona nomena torohevitra tsara, ao amin’ny Baiboly. Narahina famaizana, indraindray ilay torohevitra. Anisan’ireo nahazo izany i Saoly mpanjakan’ny Isiraely. Tsy nankatò ny didin’i Jehovah momba ny Amalekita izy. Nanohitra ny vahoakan’Andriamanitra ny Amalekita ratsy fanahy, ka namoaka didy i Jehovah fa tokony hovonoina izy rehetra sy ny bibiny rehetra. Tsy novonoin’i Saoly anefa ny mpanjakan’ny Amalekita sy ny biby tsara indrindra.—1 Samoela 15:1-11.

4 Naniraka an’i Samoela mpaminany mba hananatra an’i Saoly i Jehovah. Ahoana no fihetsik’i Saoly? Namaly izy fa novonoiny ny Amalekita rehetra, fa ny mpanjakany fotsiny no tsy novonoiny. Tsy izany anefa no didin’i Jehovah. (1 Samoela 15:20) Nailik’i Saoly tany amin’ny vahoaka indray ny fahadisoana momba ireo biby tsy novonoina, ka hoy izy: “Natahotra ny vahoaka aho ka nihaino ny feony.” (1 Samoela 15:24) Ny voninahiny no toa nahaliana azy kokoa, ary vitany mihitsy ny nangataka an’i Samoela mba hanome voninahitra azy teo anatrehan’ny vahoakany. (1 Samoela 15:30) Nolavin’i Jehovah tsy ho mpanjaka i Saoly, tamin’ny farany.—1 Samoela 16:1.

5. Inona no nitranga tamin’i Ozia Mpanjaka, noho izy nanda torohevitra?

5 “Nivadika tamin’i Jehovah Andriamaniny [i Ozia mpanjakan’i Joda] ka niditra tao amin’ny tempolin’i Jehovah handoro ditin-kazo manitra.” (2 Tantara 26:16) Ny mpisorona ihany anefa no nahazo hanao izany. Tezitra i Ozia, rehefa mba nanakana azy ny mpisoronabe. Inona no vokany? Hoy ny Baiboly: “Nisy habokana nipoitra tamin’ny handriny . . . satria Jehovah efa namely azy. Ary Ozia mpanjaka dia boka ambara-pahafatiny.”—2 Tantara 26:19-21.

6. a) Nahoana i Saoly sy Ozia no nanda torohevitra? b) Nahoana no tena ratsy ny mandà torohevitra?

6 Nahoana no sarotra tamin’i Saoly sy Ozia ny nanaiky torohevitra? Ny avonavona no nahavoa azy ireo, satria nihevi-tena ho zavatra loatra izy ireo. Maro no nahita faisana vokatr’io toetra io. Toa mihevitra izy ireo fa misy zavatra tsy mety ao aminy, na simba ny lazany, raha manaiky torohevitra izy. Kileman-toetra anefa ny avonavona. Manamatroka ny fisainan’ny olona iray izy io, hany ka laviny avy hatrany izay fanampiana omen’i Jehovah amin’ny alalan’ny Teniny sy ny fandaminany. Mampitandrina toy izao àry i Jehovah: “Ny fiavonavonana mialoha ny fahasimbana, ary ny fanahy mirehareha mialoha ny fahalavoana.”—Ohabolana 16:18; Romana 12:3.

Ekeo ny torohevitra

7. Inona no fianarana tsara azo raisina avy amin’ny faneken’i Mosesy torohevitra?

7 Misy ohatra tsara momba ireo nanaiky torohevitra koa, azontsika dinihina ao amin’ny Soratra Masina. Anisan’izany i Mosesy. Nanoro hevitra azy momba ny fomba hanamaivanany ny asa be nataony ny rafozan-dahiny. Nihaino sy nampihatra ny torohevitry ny rafozany avy hatrany i Mosesy. (Eksodosy 18:13-24) Nahoana i Mosesy no nihaino torohevitra, na dia nanana fahefana lehibe aza? Satria nanetry tena izy. “Mosesy dia lehilahy nalemy fanahy [na nanetry tena] mihoatra noho ny olona rehetra atỳ ambonin’ny tany.” (Nomery 12:3) Zava-dehibe ve ny fanetren-tena? Milaza ny Zefania 2:3, fa iankinan’ny aintsika izy io.

8. a) Inona avy no fahotan’i Davida? b) Ahoana no fandraisan’i Davida ny fananaran’i Natana? d) Inona avy no vokatry ny fahotan’i Davida?

8 Nijangajanga tamin’i Batseba i Davida Mpanjaka, ary nampamono an’i Oria vadin’izy io, mba hanafenana ny fahotany. Nandefa an’i Natana mpaminany mba hananatra an’i Davida i Jehovah. Nibebaka i Davida, ary niaiky avy hatrany hoe: “Efa nanota tamin’i Jehovah aho.” (2 Samoela 12:13) Nanaiky ny fibebahany Andriamanitra, nefa hizaka ny voka-dratsin’ny fahotany ihany i Davida. Nilaza taminy i Jehovah fa ‘tsy hiala amin’ny taranany’ ny sabatra, homena ny “namany” ny vadiny, ary “ho faty tokoa” ilay zaza teraka tamin’io fanitsakitsaham-bady io.—2 Samoela 12:10, 11, 14.

9. Inona no tsy tokony hohadinointsika raha toroana hevitra na faizina isika?

9 Fantatr’i Davida Mpanjaka ny tombontsoa amin’ny fihainoana torohevitra tsara. Nisaotra an’Andriamanitra izy, indray mandeha, noho ilay olona nampita an’ilay torohevitra. (1 Samoela 25:32-35) Toy izany ve isika? Raha izany no izy, dia ho voasakana isika mba tsy hiteny na hanao zavatra mety hanenenantsika. Ahoana anefa raha misy tarehin-javatra mety hanoroana hevitra, na hanafaizana antsika mihitsy? Enga anie mba tsy hohadinointsika fa porofon’ny fitiavan’i Jehovah antsika izany, sady hahasoa antsika mandrakizay.—Ohabolana 3:11, 12; 4:13.

Toetra sarobidy tokony hambolena

10. Inona no toetra nolazain’i Jesosy fa ilain’ireo maniry ho ao amin’ilay Fanjakana?

10 Misy toetra tokony hambolentsika, raha tiantsika ny hifandray tsara hatrany amin’i Jehovah sy ny rahalahintsika kristianina. Nilaza ny iray amin’izany i Jesosy, rehefa nametraka zaza teo anoloan’ny mpianany, ka nilaza toy izao: “Raha tsy miova hianareo ka ho tonga tahaka ny zazakely, dia tsy hiditra amin’ny fanjakan’ny lanitra mihitsy hianareo. Koa na zovy na zovy no hanetry tena tahaka ity zazakely ity, dia izy no ho lehibe indrindra amin’ny fanjakan’ny lanitra.” (Matio 18:3, 4) Nila namboly fanetren-tena ireo mpianatr’i Jesosy, satria niady hevitra ny amin’izay lehibe indrindra.—Lioka 22:24-27.

11. a) Eo anatrehan’iza avy isika no tokony hanetry tena, ary nahoana? b) Ahoana no ho fandraisantsika torohevitra raha manetry tena isika?

11 Hoy ny apostoly Petera: “Samia misikina fanetren-tena hianareo ka mifanompoa; fa ‘Andriamanitra manohitra ny miavonavona, fa manome fahasoavana ho an’ny manetry tena.’” (1 Petera 5:5) Fantatsika fa tokony hanetry tena eo anatrehan’Andriamanitra isika. Asehon’io andininy io anefa fa tokony hanetry tena eo anatrehan’ireo mpiray finoana koa isika. Raha manetry tena isika, dia tsy handa ny soso-kevitra tsara omen’ny olona antsika, fa hianatra avy amin’izy ireny kosa.—Ohabolana 12:15.

12. a) Inona no mifandray akaiky amin’ny fanetren-tena? b) Nahoana isika no tokony hieritreritra ny vokatry ny toetrantsika eo amin’ny olon-kafa?

12 Mifandray akaiky amin’ny fanetren-tena ny fiheverana izay hahasoa ny olon-kafa. Hoy ny apostoly Paoly: “Aoka tsy hisy olona hitady ny hahasoa ny tenany, fa ny hahasoa ny namany. . . . Koa amin’izany, na mihinana na misotro hianareo, na inona na inona ataonareo, dia ataovy ho voninahitr’Andriamanitra izany rehetra izany. Aza manao izay hahatafintohina ny Jiosy na ny jentilisa na ny fiangonan’Andriamanitra.” (1 Korintiana 10:24-33) Tsy nilaza akory i Paoly hoe tsy tokony hanana ny safidintsika mihitsy isika. Nasainy kosa isika mba tsy hanao zavatra mety hampirisika olon-kafa hanao zavatra tsy eken’ny eritreriny.

13. Inona no ohatra mety hahitana raha manaraka ny torohevitry ny Soratra Masina isika na tsia?

13 Izay hahasoa ny olon-kafa ve no heverinao alohan’izay tianao? Tokony hianatra hanao izany isika rehetra. Maro ny fomba azo anaovana izany. Ohatra amin’izany ny fitafiana sy fisehoana ankapobe. Safidy manokana izany, fa ny fetra apetraky ny Soratra Masina, dia hoe tokony ho maotina sy milamina ary madio ny fitafiantsika. Ho vonona hiova ve anefa ianao raha fantatrao fa mahatonga ny olona itorianao tsy hihaino ny hafatr’ilay Fanjakana ny fitafiana sy fisehoanao ankapobe, satria tsy mifanaraka amin’ny zavatra nitaizana azy? Azo antoka fa zava-dehibe kokoa noho ny fanaovana izay tiana ny fanampiana olona hahazo fiainana mandrakizay.

14. Nahoana no zava-dehibe ny miezaka hanetry tena sy hihevitra izay hahasoa ny olon-kafa?

14 Fakan-tahaka i Jesosy raha ny fanetren-tena sy ny fiheverana izay hahasoa ny olon-kafa no resahina. Nanasa ny tongotry ny mpianany mihitsy aza izy. (Jaona 13:12-15) Hoy ny Baiboly, momba azy: “Aoka ho ao aminareo izao saina izao, izay tao amin’i Kristy Jesosy koa, Izay, na dia nanana ny endrik’Andriamanitra aza, dia tsy nataony ho zavatra hofikiriny mafy ny fitoviana amin’Andriamanitra, fa nofoanany ny tenany tamin’ny nakany ny endriky ny mpanompo sy ny nahatongavany ho manam-pitoviana amin’ny olona; ary rehefa hita fa nanan-tarehy ho olona Izy, dia nanetry tena ka nanaiky hatramin’ny fahafatesana.”—Filipiana 2:5-8; Romana 15:2, 3.

Aza lavina ny fananaran’i Jehovah

15. a) Inona no fiovana tokony hataontsika mba hananantsika toetra mampifaly an’Andriamanitra? b) Ahoana no anomezan’i Jehovah torohevitra sy fananarana ho antsika rehetra?

15 Mpanota isika rehetra, ka mila manova ny toetra sy ny fitondran-tenantsika, raha tiantsika hampiseho taratry ny toetran’Andriamanitra izany. Tokony hitafy ny “toetra vaovao” isika. (Kolosiana 3:5-14) Manampy antsika hahita ny zavatra tokony hahitsy sy ny fomba hanaovana izany ny torohevitra sy ny fananarana. Ny Baiboly no loharanon’ny fampianarana ilaintsika. (2 Timoty 3:16, 17) Manampy antsika hampihatra ny Tenin’Andriamanitra koa ny boky sy gazety ara-baiboly sy ny fivoriana ataon’ny fandaminan’i Jehovah. Hanaiky ve isika hoe ilaintsika ilay torohevitra ary hiezaka hampihatra azy io isika, na dia efa rentsika taloha aza izany?

16. Inona no fanampiana omen’i Jehovah antsika tsirairay?

16 Tia sy miahy antsika i Jehovah, ka manampy antsika amin’ireo zava-manahirana antsika. Efa an-tapitrisa no nampiana tamin’ny alalan’ny fianarana Baiboly tany an-tranony. Manoro hevitra sy mananatra ny zanany ny ray aman-dreny mba tsy hananan’izy ireo toetra mety hiteraka ratram-po. (Ohabolana 6:20-23) Matetika no misy mangataka torohevitra sy soso-kevitra amin’ny mpitory za-draharaha eo anivon’ny fiangonana, mba hanatsarany ny fanompoany. Mety hangataka torohevitra amin’ny anti-panahy namany na amin’ny mpitory za-draharaha ny anti-panahy, indraindray. Mampiasa Baiboly ireo mahafeno fepetra, mba hanampiana amim-pahalemem-panahy an’izay mila izany. Raha manoro hevitra ianao, dia “mihevera ny tenanao, fandrao hianao koa mba halaim-panahy ihany.” (Galatiana 6:1, 2) Mila torohevitra sy fananarana tokoa isika rehetra mba hiray saina rehefa mivavaka amin’ilay hany Andriamanitra marina.

Famerenana

• Ahoana no anampian’i Jehovah antsika amim-pitiavana mba hahita ny zavatra tokony hahitsintsika?

• Nahoana no sarotra amin’ny maro ny manaiky torohevitra tsara, ary tena ratsy ve izany?

• Inona avy ireo toetra sarobidy manampy antsika hanaiky torohevitra? Nahoana i Jesosy no fakan-tahaka amin’izany?

[Fanontaniana]

[Sary, pejy 142]

Nanda torohevitra i Ozia ka lasa boka

[Sary, pejy 142]

Nandray soa i Mosesy satria nanaiky torohevitra avy tamin’i Jetro