Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ilay Nambaran’ny Mpaminany Rehetra

Ilay Nambaran’ny Mpaminany Rehetra

Toko Fahefatra

Ilay Nambaran’ny Mpaminany Rehetra

1. Nanao ahoana ny fifandraisan’i Jesosy tamin’i Jehovah, raha jerena amin’ireo zava-nisy talohan’ny naha olombelona azy?

 “NY RAY tia ny Zanaka ka maneho Azy ny zavatra rehetra izay ataon’ny tenany.” (Jaona 5:20) Tena nafana izany fifandraisan’ny Zanaka tamin’i Jehovah Rainy izany! Nanomboka tamin’ny fotoana namoronana azy, taona maro tsy hita isa talohan’ny nahaterahany ho olombelona, izany fifandraisana akaiky izany. Zanaka lahitokan’Andriamanitra izy, dia ilay hany noforonin’i Jehovah nivantana. Noforonina tamin’ny alalan’io Zanaka lahimatoa tena mamin’i Jehovah io, ny zavatra hafa rehetra tany an-danitra sy teto an-tany. (Kolosiana 1:15, 16) Tenin’Andriamanitra na Mpitondra Tenin’Andriamanitra koa izy, ka nampiasaina mba hilaza ny sitrapon’Andriamanitra tamin’ny hafa. Io Zanaka tena tian’Andriamanitra io no tonga Jesosy Kristy olombelona.—Ohabolana 8:22-30; Jaona 1:14, 18; 12:49, 50.

2. Ahoana no iresahan’ireo faminanian’ny Baiboly an’i Jesosy?

2 Mbola tsy notorontoronina ho olombelona tamin’ny fomba nahagaga akory ilay Zanak’Andriamanitra lahimatoa dia efa nisy faminaniana maro ara-tsindrimandry nosoratana momba azy. Izao no nambaran’ny apostoly Petera tamin’i Kornelio: “Izy no ambaran’ny mpaminany rehetra.” (Asan’ny Apostoly 10:43) Asongadin’ny Baiboly aoka izany ny anjara asan’i Jesosy, hany ka nilaza toy izao tamin’ny apostoly Jaona ny anjely iray: “Ny filazana an’i Jesosy no fanahin’ny faminaniana.” (Apokalypsy 19:10) Milaza mazava ireo faminaniana ireo fa izy no ilay Mesia. Lazain’izy ireo koa ny anjara asan’i Jesosy amin’ny fanatanterahana ny fikasan’Andriamanitra. Tokony hahaliana mafy antsika izany rehetra izany.

Inona no nahariharin’ireo faminaniana?

3. a) Iza ilay menarana sy ilay “vehivavy” ary ‘ny taranak’ilay menarana’, ao amin’ny Genesisy 3:15? b) Nahoana no tokony hahaliana mafy ny mpanompon’i Jehovah ny ‘fanorotoroana ny lohan’ilay menarana’?

3 Nolazaina taorian’ny fikomiana tany Edena ny voalohany amin’ireo faminaniana ireo. Hoy i Jehovah tamin’ilay menarana: “Hampifandrafesiko hianao sy ny vehivavy ary ny taranakao sy ny taranany: izy hanorotoro ny lohanao, ary hianao kosa hanorotoro ny ombelahin-tongony.” (Genesisy 3:15) Noresahina tamin’i Satana, izay nasehon’ilay menarana, io faminaniana io, raha ny marina. Ilay “vehivavy” dia ny fandaminan’i Jehovah any an-danitra tsy mivadika aminy, toy ny vady mahatoky. Ny ‘taranak’ilay menarana’ dia ireo anjely sy olombelona maneho ny toe-tsain’i Satana, dia izay manohitra an’i Jehovah sy ny vahoakany. Ny ‘fanorotoroana ny lohan’ilay menarana’ dia midika ho fandringanana an’i Satana mpikomy, amin’ny farany. Nanendrikendrika an’i Jehovah sy nitondra fahoriana be ho an’ny olombelona mantsy izy. Iza kosa anefa ilay ‘taranaka’ lehibe indrindra hanao ilay fanorotoroana? “Zava-miafina” izy io nandritra ny taonjato maro.—Romana 16:20, 25, 26.

4. Nahoana ny firazanan’i Jesosy no manaporofo fa izy no ilay Taranaka nampanantenaina?

4 Nanome tsipiriany fanampiny i Jehovah, 2 000 taona teo ho eo tatỳ aoriana. Nampahafantariny fa ho avy amin’ny fianakavian’i Abrahama ilay Taranaka. (Genesisy 22:15-18) Tsy hoe rehefa taranak’i Abrahama anefa dia nety, fa niankina tamin’ny safidin’Andriamanitra kosa izany. Na tian’i Abrahama aza mantsy i Isimaela, zanany tamin’i Hagara, dia hoy i Jehovah taminy: “Ny fanekeko haoriko amin’Isaka, izay haterak’i Saraha aminao.” (Genesisy 17:18-21) Tsy tamin’i Esao, zanak’Isaka lahimatoa indray, fa tamin’i Jakoba, izay niavian’ireo fokon’ny Isiraely 12, no nohamafisina io fanekena io. (Genesisy 28:10-14) Nampahafantarina tatỳ aoriana fa ho teraka ao amin’ny fokon’i Joda, ao amin’ny fianakavian’i Davida, ilay Taranaka.—Genesisy 49:10; 1 Tantara 17:3, 4, 11-14.

5. Inona no nampiseho, rehefa nanomboka ny fanompoany teto an-tany i Jesosy, fa izy no ilay Mesia?

5 Inona koa ny fanazavana nomena momba ilay Taranaka nampanantenaina? Nolazain’ny Baiboly, 700 taona nialoha, fa ao Betlehema no ho teraka izy io. Naharihariny koa fa efa nisy “hatrizay hatrizay”, hatramin’ny fotoana namoronana azy tany an-danitra, ilay Taranaka. (Mika 5:1) Nolazaina mialoha tamin’ny alalan’i Daniela mpaminany koa ny fotoana marina hisehoan’ilay Mesia eto an-tany. (Daniela 9:24-26) Ary rehefa nohosorana tamin’ny fanahy masina i Jesosy, ka tonga Voahosotr’i Jehovah, dia nilaza mazava ny feon’Andriamanitra avy tany an-danitra fa izy no Zanany. (Matio 3:16, 17) Fantatra tamin’izay ilay Taranaka! Afaka nilaza tsy nisy fisalasalana àry i Filipo hoe: “Efa hitanay Ilay nosoratan’i Mosesy tao amin’ny lalàna, sy nosoratan’ny mpaminany, dia Jesosy.”—Jaona 1:45.

6. a) Inona no nanjary takatr’ireo mpanara-dia an’i Jesosy, araka ny Lioka 24:27? b) Iza no lehibe indrindra amin’ny ‘taranaky ny vehivavy’, ary inona no dikan’ilay hoe hotorotoroiny ny lohan’ilay menarana?

6 Taorian’izay, dia nanjary takatr’ireo mpanara-dia an’i Jesosy fa faminaniana am-polo momba azy no voasoratra ao amin’ny Soratra Masina ara-tsindrimandry. (Lioka 24:27) Nanjary nazava kokoa aza fa izy no lehibe indrindra amin’ny ‘taranaky ny vehivavy’, ilay hanorotoro ny lohan’ilay menarana, izany hoe handringana an’i Satana. Amin’ny alalan’i Jesosy no hanatanterahana ny fampanantenana rehetra nataon’Andriamanitra ho an’ny olombelona, dia ny zavatra rehetra irintsika mafy.—2 Korintiana 1:20.

7. Inona koa no tsara ho fantatra, ankoatra Ilay tondroin’ireo faminaniana?

7 Inona no tokony hataontsika, rehefa fantatsika izany? Mitantara amintsika ny amin’ny ionoka etiopianina iray ny Baiboly. Namaky ny sasany tamin’ireo faminaniana momba ilay Mpanavotra sy Mesia izy, nefa tsy nahazo izany, ka nanontany an’i Filipo, mpitory ny filazantsara, hoe: “Iza moa no lazain’ny mpaminany amin’izany?” Tsy nipetra-potsiny anefa ilay ionoka rehefa nahazo ny valiny. Nihaino tsara ny fanazavan’i Filipo izy, ka takany fa nilaina ny nanao zavatra ho fankasitrahana ny fahatanterahan’ilay faminaniana. Takany fa nila natao batisa izy. (Asan’ny Apostoly 8:32-38; Isaia 53:3-9) Manao toy izany ve isika?

8. a) Inona no mifanandrify amin’ny saika hanaovan’i Abrahama sorona an’i Isaka? b) Nahoana i Jehovah no niteny tamin’i Abrahama fa amin’ilay Taranaka no hitahiana ny firenena rehetra, ary ahoana no ampiharana izany amintsika?

8 Hevero koa ilay tantara mampihetsi-po momba ny saika hanaovan’i Abrahama sorona an’i Isaka, ilay hany zanany tamin’i Saraha. (Genesisy 22:1-18) Nampiseho izay hataon’i Jehovah izany, dia ny hanao sorona ny Zanany lahitokana. “Toy izao no nitiavan’Andriamanitra izao tontolo izao: nomeny ny Zanani-lahy Tokana, mba tsy ho very izay rehetra mino Azy, fa hanana fiainana mandrakizay.” (Jaona 3:16) Matoky isika, araka izany, fa toy ny nanomezan’i Jehovah ny Zanany lahitokana hanatanteraka ny fikasany, dia ‘homeny antsika maimaim-poana koa ny zavatra rehetra.’ (Romana 8:32) Inona no takina amintsika? Nolazain’i Jehovah tamin’i Abrahama, araka ny Genesisy 22:18, fa amin’ny alalan’ny Taranany no hitahiana ny firenena rehetra, ‘satria nanaiky ny tenin’Andriamanitra i Abrahama.’ Mila mihaino an’i Jehovah sy ny Zanany koa isika: “Izay mino ny Zanaka manana fiainana mandrakizay; fa izay tsy mino ny Zanaka dia tsy hahita fiainana, fa ny fahatezeran’Andriamanitra no mitoetra eo aminy.”—Jaona 3:36.

9. Inona no hataontsika raha mankasitraka ny fanantenana hiaina mandrakizay, izay nanjary nety noho ny soron’i Jesosy isika?

9 Haniry hanao izay nolazain’i Jehovah tamin’ny alalan’i Jesosy isika, raha mankasitraka ny fanantenana hiaina mandrakizay, izay nanjary nety noho ny soron’i Jesosy. Mifandray akaiky amin’ny fitiavantsika an’Andriamanitra sy ny mpiara-belona izany didy izany. (Matio 22:37-39) Nasehon’i Jesosy fa hanosika antsika hampianatra ny hafa ‘hitandrina izay rehetra nandidian’i Jesosy antsika’ ny fitiavantsika an’i Jehovah. (Matio 28:19, 20) Irintsika koa ny hizara io fitiavana io amin’ireo mpanompon’i Jehovah namantsika, amin’ny “fiarahantsika miangona” tsy tapaka amin’izy ireo. (Hebreo 10:25; Galatiana 6:10) Tsy tokony hihevitra koa isika hoe mitaky fahalavorariana amintsika Andriamanitra sy ny Zanany, rehefa mihaino azy ireo isika. Milaza ny Hebreo 4:15 fa “mahay miara-mitondra ny fahalementsika” i Jesosy, Mpisoronabe ho antsika. Tena mampahery izany, indrindra fa rehefa mangataka fanampiana amin’Andriamanitra amin’ny vavaka, amin’ny alalan’i Kristy, isika, mba handresena ny fahalementsika!—Matio 6:12.

Manehoa finoana an’i Kristy

10. Nahoana no tsy misy famonjena hafa, ankoatra ny avy amin’i Jesosy Kristy?

10 Izao no fanatsoahan-kevitry ny apostoly Petera, rehefa avy nanazava tamin’ny fitsarana avo jiosy tany Jerosalema izy, fa tanteraka tamin’i Jesosy ireo faminanian’ny Baiboly: “Tsy misy famonjena amin’ny hafa; fa tsy misy anarana hafa ambanin’ny lanitra nomena ny olona izay hahazoantsika famonjena.” (Asan’ny Apostoly 4:12) Tsy ho afaka hanavotra na iza na iza ny fahafatesan’ny taranak’i Adama, satria mpanota daholo izy rehetra. Azo natao sorona kosa ny ain’i Jesosy, satria lavorary izy. (Salamo 49:6-9; Hebreo 2:9) Nanolotra ho an’Andriamanitra avotra nifanandrify tsara tamin’ny vidin’ilay aina lavorary narian’i Adama izy. (1 Timoty 2:5, 6) Manjary ho afaka hahazo fiainana mandrakizay ao amin’ny tontolo vaovaon’Andriamanitra isika, noho izy io.

11. Hazavao ny soa lehibe azontsika noho ny soron’i Jesosy.

11 Misy soa hafa mety ho azontsika dieny izao koa, noho izy io. Afaka manana fieritreretana madio isika, ohatra, noho ny soron’i Jesosy, satria voavela ny fahotantsika. Be lavitra noho izay vitan’ireo sorona biby ho an’ny Isiraelita teo ambanin’ny Lalàn’i Mosesy izany. (Asan’ny Apostoly 13:38, 39; Hebreo 9:13, 14; 10:22) Tsy maintsy ekentsika anefa hoe tena ilaintsika ny soron’i Kristy, mba hahazoantsika izany famelan-keloka izany: “Raha hoy isika: Tsy manana ota isika, dia mamita-tena, ary ny marina tsy ato anatintsika. Raha miaiky ny fahotantsika isika, dia mahatoky sy marina Izy ka mamela ny fahotantsika sy manadio antsika ho afaka amin’ny tsi-fahamarinana rehetra.”—1 Jaona 1:8, 9.

12. Nahoana no zava-dehibe mba hahazoana fieritreretana tsara eo anatrehan’Andriamanitra ny batisa ao anaty rano?

12 Ahoana no anehoan’ny mpanota finoana an’i Kristy sy ny sorony? Naneho ampahibemaso an’izany finoany izany ireo tonga mpino tamin’ny taonjato voalohany. Tamin’ny fomba ahoana? Natao batisa izy ireo. Nahoana? Satria nandidy ny mpianany rehetra mba hatao batisa i Jesosy. (Matio 28:19, 20; Asan’ny Apostoly 8:12; 18:8) Tsy hisalasala ny olona iray raha tena atosik’ilay fandaharana feno fitiavana nataon’i Jehovah tamin’ny alalan’i Jesosy ny fony. Hanao izay fiovana tokony hatao eo amin’ny fiainany izy, hanolo-tena ho an’Andriamanitra amin’ny vavaka, ary hanamarika izany amin’ny batisa ao anaty rano. Izany fampiharihariana ny finoany izany no ‘hitadiavany fieritreretana tsara eo anatrehan’Andriamanitra.’—1 Petera 3:21.

13. Inona no tokony hataontsika raha mahatsiaro isika fa nanota? Nahoana?

13 Mazava ho azy fa mbola hiseho ihany ireo lafin-toetran’ny mpanota na dia aorian’izany aza. Inona no hatao amin’izay? Hoy ny apostoly Jaona: “Izany zavatra izany no soratako aminareo mba tsy hanotanareo. Ary raha misy manota, dia manana Solovava ao amin’ny Ray isika, dia Jesosy Kristy, Ilay Marina; ary Izy no avotra noho ny fahotantsika.” (1 Jaona 2:1, 2) Midika ve izany fa na inona na inona ataontsika dia havelan’Andriamanitra foana isika, rehefa mangata-pamelana aminy? Tsy voatery ho izany. Tsy maintsy tena mibebaka isika vao mahazo famelan-keloka. Mety hilaina koa ny fanampian’ny anti-panahy sy za-draharaha kokoa ao amin’ny fiangonana kristianina. Tsy maintsy manaiky isika fa ratsy ilay nataontsika, ary tsy maintsy manenina amim-pahatsorana noho izany isika, ka hiezaka mafy tsy hanao izany intsony. (Asan’ny Apostoly 3:19; Jakoba 5:13-16) Tena hanampy antsika i Jesosy, ary hankasitrahan’i Jehovah indray isika, raha manao izany.

14. a) Hazavao ny soa lehibe iray raisintsika avy amin’ny soron’i Jesosy. b) Inona no hataontsika raha tena manana finoana isika?

14 Noho ny soron’i Jesosy koa dia ho afaka hiaina mandrakizay any an-danitra ny “ondry vitsy”, dia ireo taranaka manarakaraka, resahin’ny Genesisy 3:15. (Lioka 12:32; Galatiana 3:26-29) Noho izy io koa dia ho afaka hiaina mandrakizay eto an-tany zary paradisa ny olona an’arivo tapitrisa hafa. (Salamo 37:29; Apokalypsy 20:11, 12; 21:3, 4) Ny fiainana mandrakizay dia “fanomezam-pahasoavana avy amin’Andriamanitra ao amin’i Kristy Jesosy Tompontsika.” (Romana 6:23; Efesiana 2:8-10) Hahariharintsika raha mino izany fanomezana izany isika, ary mankasitraka ny fomba nahatonga azy io hety. Takatsika ny fomba mahatalanjona nampiasan’i Jehovah an’i Jesosy mba hanatanterahana ny sitrapony, sy ny hoe tena zava-dehibe ny hanarahantsika akaiky ny dian’i Jesosy. Noho izany, dia ataontsika ho ny asa lehibe indrindra eo amin’ny fiainantsika ny fanompoana kristianina. Hiharihary ny finoantsika rehefa miresaka amim-piekena amin’ny hafa momba io fanomezana mahatalanjona avy amin’Andriamanitra io isika.—Asan’ny Apostoly 20:24.

15. Nahoana no mampiray saina ny finoana an’i Jesosy Kristy?

15 Tsara dia tsara sady mampiray saina tokoa ny vokatr’izany finoana izany! Manjary akaiky kokoa an’i Jehovah sy ny Zanany ary amintsika samy isika ao amin’ny fiangonana kristianina, isika. (1 Jaona 3:23, 24) Mahafaly antsika ny nanomezan’i Jehovah tamin-katsaram-panahy ho an’ny Zanany “ny anarana izay ambony noho ny anarana rehetra [ankoatra ny anaran’Andriamanitra], mba ho amin’ny anaran’i Jesosy no handohalehan’ny lohalika rehetra, na ny any an-danitra, na ny etỳ an-tany, na ny any ambanin’ny tany, sy haneken’ny lela rehetra fa Jesosy Kristy no Tompo ho voninahitr’Andriamanitra Ray.”—Filipiana 2:9-11.

Famerenana

• Nahoana no fantatr’ireo tena nino ny Tenin’Andriamanitra mazava ny Mesia, rehefa niseho?

• Inona no anisan’ny zavatra tokony hataontsika mba hankasitrahana ny soron’i Jesosy?

• Inona no soa efa noraisintsika avy amin’ny soron’i Jesosy? Nahoana izany no manampy antsika rehefa mangata-pamelana amin’i Jehovah amin’ny vavaka isika?

[Fanontaniana]

[Sary, pejy 36]

Nilaza tamin’ny mpanara-dia azy i Jesosy fa tokony hampianatra ny hafa hanaraka ny didin’Andriamanitra izy ireo